♦ Mbola tsy nodinihina teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanesorana ny tombon-jo ananan'ny solombavambahoaka Antoine Rajerison hoy ny Andriamatoa Fidèle Razara Pierre. Nambarany anefa fa azo atao tsara ny miroso amin'izany... ♦ Nisy fikorontanana ny famatsiana herinaratra tamin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Nisy olana ny iray amin'ireo milina mpihary herinaratra eny Mandroseza, nanomboka omaly... ♦ Manao antso amin'ny solombavambahoaka mba hankatoa ny lalàna fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna ireo Tantsaha mpamboly "orge" any Vakinankaratra, hampihenàna ny hetra alaina amin'ny mpandray ny vokatra...
Tsy maintsy hajaina sy tandrovina eo amin'ny fiainana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy ny fahamendrehan'ny olombelona. Nandritry ny taon-jato mifandimby dia ny fahazavan'ny Evanjely hatrany no nentin'ny Eglizy nampiseho ny fitsipiky ny rariny sy ny hitsiny, na eo amin'ny tsirairay na eo amin'ny fiainam-piaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Mbola tsy nandalo teo anivon'ny fivorian'ny Birao Maharitra eny Tsimbazaza aloha, hatramin'ny androany alatsinainy, ny fanesorana ny tombon-jo ananan'ny Solombavam-bahoaka Antoine Rajerison... • Mpiadina 50.454 no miatrika ny adina ara-batana amin'ny taranja fanatanjahan-tena Bakalorea 2026, ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Fanadinana nanomboka androany ka hatramin'ny 19 jona 2026... • Mandray anjara amin'ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy, ny Faribolana Sandratra. Hetsika nampitondraina ny anarana: “Hadimiana Sandratra”, izay natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany, ao amin'ny Efitrano DOX, eny amin'ny tranombokim-pirenena...
♦ Mila avaozina ny rafim-pamokarana eto Madagasikara mba hafahana mahazo vokatra haingana sy azo tsapain-tanana eo amin'ny sehatry ny famokarana ara-tsakafo hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo... ♦ Mahatsapa ny firaisan-kinan'ny sendikan'ny mpiasan'ny fahasalamana fa misy mitsinjo ny mpiasa eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna ankehitriny. Misy ihany koa ny fahalalahana sendikaly...♦ Manome lanja manokana ny fikarohana amin'ny fanabeazana sahaniny, ny Ivon-toerana ambony ho an'ny Polytechnique eto Madagasikara (ISPM) eny Antsombolo-Ambatomaro...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco