Mba ho fandalàna ny rariny sy ny hitsiny dia tokony hikelezana aina fatratra ny hanafoanana araka izay azo atao ny tsy fitoviana ara-toe-karena manavakavaka ny samy olona eo amin'ny fiainam-piaraha-monina. Hisorohana ny fiainana tsy mari-pototra sy mitsingilahila dia takian'ny rariny sy ny hitsiny ny handaminana ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

• Nahavita ny fanambaram-pananana teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana Ambohidahy, ireo mpikambana maromaro eo anivon'ny Governemanta, notarihin'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, androany tolakandro... • Nanendry olona miisa telo hitantana vonjimaika ny Vondrona SODIAT, ny Fitsarana... • Tetikasa roa lehibe mahakasika ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana sy ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra no vatsian'ny Vondrona Eoropeana sy ny fitondrana Alemana amin'ny alalan'ny BMZ...

♦ Notokanana sy notsofon-drano, androany, ny clinique Medicale Flamboyant sy ny Lycée katolika vao nahorina ao Mampikony, Diôsezin'i Port Berger. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa no nanehoana izany... ♦ Maro ny olana momba ny fitanterana tsy voavaha ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Tokony foanana ny kôperativa mpitatitra fa orinasa matihanina no mpanao ny asa hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Tsy mijery fotsiny ireo toerana ahitàna fiarabe manao fanotofana tany ao Antananarivo sy ny manodidina ny tompon'andraikitra mbola mihatra ny fampiharana ny didy...

♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny fanjakàna rosianina hanarenana ny fahasimbana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Fitia sy Gezani tamin'ity taona ity i Madagasikara. Nandray izay tety Ivato omaly ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana Volibe na ny Bambou eto Madagasikara ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetik'asa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe... ♦ Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsaràna ny drafi-panajariana an-tanan-dehibe manerana an'i Madagasikara ny MInistera tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...