• Hisy ny lamina sy fandrindrana atao mba hifehezana ny fidangan'ny vadim-bary tafahoatra, raha ny nambaran'ny Ministra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra...
  • Mandray anjara amin'ny fampivoatra ny toe-karena Malagasy ny orinasa Royal Spirit amin'ny alalan'ny fampidirana vola vahiny ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna. Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ity orinasa ity...
  • Miaina fahasarotana maro ny amin'ny fanatanterahana ny asany ny vehivavy mpanao gazety, isan'izany ny fanitsakitsahana zony ara-tsosialy, na ara-tsaina na araky ny lalàna. Misy ny fandaharan'asa A-VIAVY hiarovana azy ireo amin'izany...
  • Sazy 30 taona an-tranomaizina no miandry ny mpiasan'ny ministera iray, izay tratra nanao fanodikodinam-bolam-panjakàna amina miliara tany Burkina Fasso...

  • Nahatsikaritra tsy fanarahan-dalàna sy tsy fahatomombanana samihafa ny KMF/Cnoe tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny 11 desambra teo...
  • Tsy marina ny filazana fa vola-panjakàna no hividianana ny fiara tsy mataho-dalana ho an'ny solombavambahoaka hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin...
  • Hamorona asa mivantana maherin'ny 1 tapitrisa ny tetik'asa izay vita sonia teo amin'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny FAO...
  • Mitaky ny hisian'ny tetezamita andraisan'ny rehetra anjara any Syrie ny firenena mikambana, eo koa ny fifidianana marina sy malalaka aorian'ny fitondrana tetezamita...

  • Amboletra nataon'ny mpitondra hampandaniana ny kandidàm-panjakana no nisy nandritra ny fifidianana, hoy Ramatoa Ravololomanana Lalatiana...
  • Mihatra indray ny fifandimbiasan'ny fahatapahan'ny herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny JIRAMA...
  • Mandrahona ny hihetsika indray ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, manoloana ireo olana tsy ahitam-bahaolana maharitra...

  • Niantso ny hanambarana hery ihany koa i Gascar Fenosoa, manoloana ny zava-misy. Nivoaka tamin'ny fahanginany ity kandidà Ben'ny Tanànan'Antananarivo ity, ka namoaka fanambarana androany...
  • Hanomboka tsy ho ela ny fametrahana ny vatofotor'ilay foibe vaovao famokarana herinaratra any Ranomafana, araka ny nambaran'ny Filoha omaly. Foibe hamokatra herinaratra 64 Mégawatts izy io...
  • Tsy ankasitrahan'ny K2HB ny mbola hikarakaran'ny Federasiôna fakan-kevitra indray hanatsarana ny baolina kitra. Ny hevitra tapaka tamin'ilay fikaonan-doha tamin'ny taona 2020 no tokony hampiharina, hoy ity fikambanana ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...