Alahady faha-3 — Taona D fiavian’ny Tompo : Tsy mba mandao andriamanitra, fa fitiavana ; Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Ny alahady fahatelo amin'ny fiavian'ny Tompo dia antsoina hoe " alahadin'ny hafaliana", manamafy izany ny tononkira fidirana amin'ity alahady ity manao hoe "Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! satria efa akaiky anie ny Tompo! ". Ny filipianina dia fiangonana natsangan'i Masindahy Paoly, izay nohankaherezin'ity farany mba hifaly mandrakariva ao amin'ny Tompo. Ohatra lehibe ho antsika i Masindahy Paoly, mifaly foana na misy sedra, ary miaina ny finoana, izay koa no maha kristianina...

  • Tsy araka ny tokony ho izy ny fizotry ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina notanterahina teto Madagasikara hoy ny Antoko Madagasikara Endrika Vanona...
  • Hatahorana amin'ny aretina homamiadan'ny hoditra ny 80% amin'ny olona manana toe-batana varira eto Madagasikara, hiara hiasa amin'ny fanohanana azy ireo ny fikambanana Albinos Madagascar sy ny fondation Pierre Fabre...
  • Misy ireo mpiasa torana noho ny hamafin'ny asa amin'ireny orinasa afak'haba ireny, miantso ny fandraisana andraikitry ny Fanjakàna ny Sendikan'ny mpiasa FISEMARE...
  • Niverina eo anivon'ny antenimieram-pirenena indray rehefa nandamoaka ny 7 desambra lasa teo ny fitsipaham-pitokisana vaovao mahazo ny filoha an'i Corée Atsimo, Yoon Suk Yeol...

  • Manalavitra hatrany ny morontsiraka Avaratra - Andrefan'i Nosy Be ilay rivo-doza Chido, mihena hatrany ny heriny ary foana avokoa ny filazana loza mikasika azy...
  • Voafidy ho filohan'ny parlemantan'ny SADC na ny FP-SADC nandritra ny fivoriambe andiany faha-56 tany LivingStone Zambie, i Tokoly Justin filohan'ny antenimieram-pirenena Malagasy...
  • Hirariana ireo rehetra lany ho ben'ny tanàna mba hahay hiara-hiasa amin'ny fitondram-panjakàna ho fampandrosoana ny eny ifotony hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona nandritra ny famaranana ny fivoriana omaly zoma 13 desambra 2024...
  • François Bayrou no notendren'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ho praiministra vaovao handimby ny toeran'i Michel Barnier...

  • Tany amin'ny 151 km avaratra andrefan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foiben'ilay rivodoza Chido, tamin'ny 5 ora sy sasany hariva teo...
  • Volavolan-dalàna miisa 12 no nolaniana teny amin'ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa, naharitra 60 andro, nifarana androany...
  • Tokony samy hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina farany teo ny mpanao pôlitika sy ny mpanara-dia azy, raha ny nambaran'ny Praminisitra Ntsay Christian, androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...