Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 2, 16. 17b. 18. 21-22)
Izao no lazain’ny Tompo:
Indro Aho hitarika azy sy hitondra azy any an’efitra,
ary hiteny aminy ao am-pony;
ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andro fahatanorany,
sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.
Amin’izany andro izany — teny marin’ny Tompo —,
ianao hiantso Ahy hoe:
“Vadiko”,
fa tsy hiantso Ahy intsony hoe:
“Baalako.”
Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao;
hofofoiko ho Ahy ianao amin’ny rariny sy ny hitsiny
ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana;
hofofoiko ho Ahy amin’ny fahamarinana,
ka hahalala ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay!
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.
Miteny ny herinao mahatahotra,
mitanisa tokoa ny halehibeazanao,
miventy ny fahatsiarovana ny hatsaranao lehibe,
ary mihoby ny fahamarinanao!
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo;
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)
Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa,
dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray
niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe:
“Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy,
ka andeha re hametraka ny tananao aminy,
dia ho velona izy.”
Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.
Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona,
nanatona Azy avy eo ivohony,
ka nanendry ny morontongotr’akanjony;
fa hoy izy anakampony:
“Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko,
dia ho sitrana aho.”
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe:
“Matokia, anaka,
ny finoanao no nahasitrana anao.”
Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.
Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa
ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba,
dia nanao hoe:
“Mialà ianareo,
fa tsy maty akory razazavavy, fa matory.”
Dia nihomehezan’ireo Izy.
Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy,
ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io.
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 2, 2-5)
Tamin’izany andro izany,
dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy,
ka nandre ny Tompo niteny tamiko aho.
Hoy Izy tamiko:
“Ry zanak’olona,
indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely,
ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko,
fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.
Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo,
no anirahako anao.
Izao no holazainao aminy:
Izao no tenin’ny Tompo Andriamanitra.
Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino,
— fa taranaka mpiodina izy —
dia hahalala fa misy Mpaminany eo aminy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 122, 1-2a. 2bde. 3-4
Any aminao ny masoko no andraiko,
ry Ilay mitoetra any an-danitra!
Indro toy ny mason’ny ankizy lahy
eny amin’ny tanan’ny tompolahiny,
Toy ny mason’ny ankizy vavy
eny amin’ny tanan’ny tompovaviny:
ny masonay any amin’ny Tompo Andriamanitray
miandry fiantràna avy aminy!
Eny, iantrao izahay, ry Tompo ô,
iantrao fa voky eso loatra,
efa leon’ny tebaky ny tretrika,
efa tofoky ny eson’ny mpiavona!
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 12, 7-10)
Ry kristianina havana,
fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho,
dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko,
dia anjelin’i Satàna hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako.
Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo,
mba hanalany an’io amiko, fa izao no navaliny ahy:
“Ampy ho anao ny fahasoavako,
sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko”.
Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko,
mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko,
amin’ny fahafaham-baràka,
amin’ny fahaterena,
amin’ny fanenjehana,
amin’ny fahantrana,
noho ny amin’i Kristy,
satria ny fahalemeko no heriko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Tamin’izany andro izany i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy,
ary nanaraka Azy ny mpianany.
Ary rehefa sabata ny andro,
dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy,
ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe:
“Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao,
ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria,
rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Joda sy i Simôna?
Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny?”
Dia tafintohina taminy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja
afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”.
Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo,
fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,
ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.
Dia nitety ny vohitra manodidina Izy sy ny mpianany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Ny talata 09 jolay izao no hivory voalohany eny Tsimbazaza anaty fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vaovao 163. Anarana roa no efa mandeha any, hitàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Manambana ny tsy hitsara ny taratasim-panadinana BEPC ireo sendikàn'ny mpampianatra, raha tsy ho voaloa ny "vaccation". Efa maheno siosion-dresaka sahady ireo sendika, amin'ny tsy hahaloavana izany ara-potoana... ♦ Hanomboka amin'ity volana jolay ity ny fitsaràna miaramila taona 2024 eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Hanombohana izany ny eto Antananarivo... ♦ Nahitàna razana 19 tany amin'ny tanàna iray amin'ny sisin-tany iraisan'i Guatemala sy Mexique...
Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; Ohatra : inona ary izany "akana vao mitombo" valiny "afo". Inona ary izany : tany ambanin'ny olona, olona ambanin'ny bozaka, bozaka ambanin'ny rano, ary ny rano hodidinin'ny tany ? valiny " mpantsaka mampiasa halana miloloha siny tany feno rano. Efa any an-tsain'ny mpanontany ny valin'ny ankamantatra ka rehefa afa-po avokoa ny anontaniana vao milaza ny valiny izy no sady manazavana. Misy fiakon'ny ankamantatra amin'ny karazana lahabolana hafa toy ny fombam-pitenenana sy ohabolana ary hainteny...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco