♦ Mbola voatazona eny amin'ny Zandary i Nambinina Raherimampianina, tao aorian'ny nisamborana azy. Naneho ny heviny ny Vovonana Gasy Leo, misy azy... ♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny krizy goavana eto amin'ny firenena indray, ny antoko UNDD, manoloana ny savorovoro misy amin'izao. Pitik'afo mety hiteraka krizy ny toe-draharaha pôlitika, hoy ny antoko... ♦ Mitaraina ireo mpianatry ny CNTEMAD Antananarivo, noho ny fomba fitsarana ny taratasim-panadinana sy ny fanomezana ny naotin'ny mpiadina. Nanao hetsika fanairana teny Behoririka izy ireo androany, manoloana izany olana izany...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 12, 1. 5-15. 20)

Hiverina any amin’izay naniraka ahy aho: fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niantso an-janany hankeo aminy i Tôbia ka nanao taminy hoe:

“Inona no homentsika ity lehilahy masina
nanaraka anao tany amin’ny dianao?”

Dia nantsoin’i Tôbia mianaka izy,
nentiny nitokana ka niangaviany mba hankasitraka ny handray
ny antsasak’izay rehetra nentiny.

Tamin’izay ity Anjely niara-nitokana tamin’izy ireo
nanao taminy hoe:

“Misaora an’Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra Azy,
eo anatrehan’ny manana aina rehetra,
noho ny famindram-pony nataony taminareo.
Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin’ny mpanjaka,
fa mendrika hoderaina kosa ny manambara
sy mampiely ny asan’Andriamanitra.
Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara,
ary ny fiantrana dia saro-bidy noho ny volamena aman-drakitra.
Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana,
ary izy no manala ny fahotana,
ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay.
Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa
no fahavalon’ny tenany.
Indro àry hasehoko anareo ny marina,
ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo.
Raha ianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty,
raha ianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro,
ary nandevina azy nony alina,
izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin’ny Tompo.
Ary noho ianao sitrak’Andriamanitra,
dia tsy maintsy notsapain’ny fakam-panahy ianao.
Fa nirahin’ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao,
sy hanafaka an’i Sarà vadin-janakao amin’ny demony.
Izaho no Rafaela, Anjely,
anankiray amin’ireo fito mitsangana eo anatrehan’ny Tompo.
Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin’izay naniraka ahy,
fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra,
aelezo ny asany mahagaga rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo Tôb. 13, 2. 6. 7. 8

Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay.

Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny Fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra.
Ary tsy misy olona
izay afaka amin’ny tanany!

Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony!

Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny Fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!

Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’ity firene-mpanota:
Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)

Io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra.

Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany:

“Mahìna amin’ny mpanora-dalàna,
izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba,
sy ny arahabaina eny an-kianja,
ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga,
mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.
Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny,
kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena,
ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.”

Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy,
dia izay rehetra nananany sy ivelomany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Efa eo am-pamolavolana ny drafitra nasiônaly ho an'ny fitsinjaram-pahefana ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, taorian'ny fankatoavana ny antotan-taratasy nasiônaly momba ny fitsinjaram-pahefana miabo... ♦ Olona miisa 1.400.000 no nahazo kara-panondrom-pirenena sy soram-piankohonana, nandritra ny hetsika faobe nanaovana izany manerana ny nosy... ♦ Tsy ekena ny famotehana ny tanora malagasy ka miara-miasa amin'ny Ministeran'ny Tanora ireo Ministera maromaro sy fikambanana maro, amin'ny ezaka atao tsy hiparitahan'ny Rôrô. Efa mihena ankehitriny ny fiparitahan'ity zava-mahadomelina ity... ♦ Niantso ny fanampian'ny tafika ny tompon'andraikitry ny Faritra Nouvelle-Ecosse noho ny firongatry ny doro ala...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 11, 5-17)

Nofaizinao aho dia nositraninao indray, ary indro mahita ny zanako aho.

Tamin’izany andro izany nandeha isan’andro nipetraka teo amoron-dalana i Annà,
tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.
Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy
dia indry izy tazany tamy mbola lavitra,
ka rahefa fantany dia lasa izy nihazakazaka
nilaza tamin’ny lahy nanao hoe:

“Indry tamy ny zanakao.”

I Tôbia izany, dia nilazan-dRafaela hoe:

“Rahefa tonga any an-trano ianao,
ny Tompo Andriamanitrao no itsaohy miaraka amin’izay dia misaora Azy,
vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy;
ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony,
satria fantatro fa hisokatra eo no ho eo ny masony
ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao,
sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.”

Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana,
nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao,
nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra.
Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka,
fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiray tamin’ny tanany izy
handeha hitsena an-janany.
Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy,
ary toraka izany koa no nataon’ny vadiny,
dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady.
Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo dia nipetraka.
Niaraka tamin’izay, nalain’i Tôbia ny aferon-kazandrano,
ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy.
Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy,
dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody
nanomboka niala avy ao amin’ny masony.
Noraisin’i Tôbia izany,
nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy,
dia nahiratra niaraka tamin’izay izy.
Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo
dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy.
Hoy i Tôbia:

“Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely,
fa nofaizinao aho dia nositraninao indray;
ary indro mahita an’i Tôbia zanako aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 2. 7. 8-9a. 9bd-10

Derao ny Tompo, ry fanahiko!

Izaho midera ny Tompo,
raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro,
raha mbola misy koa!

Ilay manome rariny
ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo nampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa nampiviona kosa ny olon-dratsy;
Tompo manjaka mandrakizay,
ny Andriamanitrao, ry Siôna.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo;
ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)

Ahoana no ilazany fa i Kristy dia zanak’i Davida?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly
dia niteny nanao hoe:

“Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna
fa i Kristy dia zanak’i Davida?
Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe:
‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe:
mipetraha eo ankavanako Ianao
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao.’
Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy,
ahoana no maha-zanany Azy?”

Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...