• Vonona amin'ny fifidianana amin'ny alarobia 11 desambra izao ny CENI. Zon'ny olom-pirenena no mifidy, ka antony nanomezana ny didy avy amin'ny Fitsaràna afahana miditra anaty lisi-pifidianana hoy ny filohany, Dama Arsène Andrianarisedo...
  • Mikisaka haingana miankandrefana ilay andro ratsy miforona atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 1652 km, atsinanan'Antsiranana no misy ny foibeny tamin'ny 10 ora maraina teo ; hivadika ho rivo-doza izy afaka 24 ora...
  • Miisa 1500 mianadahy ireo tafiditra sy handrafitra ny andiany faha-79 amin'ny mpianatra ho zandary taorian'ny sedra sy ny fifaninana natrehany. Hianatra sy hiofana mandritra ny herintaona ao amin'ny Sekolin'ny Zandary...

  • Hikatona anio alatsinainy 9 desambra amin'ny 12 ora alina ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidinana Ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina, izay hotontosaina ny alarobia 11 desambra 2024 ; saika fa nahavita ny kandidà tamin'ny faran'ny herinandro teo ...

  • Mandray andraikitra amin'ny fampisitrahana ny olom-pirenena ny rano ny fidiovana ary ny fanadiovana ny OSCEAH ; nihaona tamin'ny Kandidà ho ben'ny tanàna taminà Kaominina miisa 30 ity firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana ity...

  • Marihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ady amin'ny kolikoly. Loha-hevitra : Miombona amin'ny tanora hanohatra ny kolikoly, manangana ny ampitso hanjakan'ny fahitsina... 

Vakiteny voalohany

Boky Tononkira dia Tononkira 2, 8-14

Indro tamy ny malalako miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra.

Injay ny feon’ny malalako,
indry tamy izy miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra;
mitsambikina amin’ny havoana.
Manahaka ny gazela ny malalako,
sy ny zanaky ny serfa vavy.
Indro izy eo ivohon’ny rindrin’ny tranonay,
mijery eo am-baravarankely,
mijery eo amin’ny makarakara.
Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe:

“Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Fa indro ny ririnina efa lasa,
ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.
Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany,
ny fotoana fihirana efa tonga.
Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;
efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka,
ny voaloboka mamony efa mamerovero;
mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato mideza,
asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao,
fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 2-3. 11-12. 20-21

Hobio ny Tompo, ry olo-marina; ihirao hira vao Izy.

Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo.
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!

Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.

Ny fanahinay manantena ny Tompo;
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany masina no ifefenay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)

Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?

Tamin’izany andro izany, niainga i Maria,
ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo, niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao
no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino
fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 7, 10-14)

Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:

“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny fara lavaky ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra.”

Fa hoy i Akaza:

“Tsy hangataka aho;
tsy haka fanahy ny Tompo aho.”

Ka hoy i Izaia:

“Mihainoa, ry taranak’i Davida;
mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia ny tenan’ny Tompo
no hanome famantarana anareo:
Indro hanana anaka ny Virjiny, ka hiteraka zazalahy,
ary ny anarany hataony hoe Emanoela”,

izany hoe amintsika Andriamanitra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Hiditra ny Tompo, Ilay Mpanjakan’ny voninahitra.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa,
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano,
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Indro hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy.

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea
atao hoe Nazareta,
ho any amin’ny Virjiny anankiray
fofombadin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana:
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy ianao.”

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao,
ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy,
ary Jesoa no hataonao anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Fa hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.”

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizivavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.”

Dia niala teo aminy ny Anjely.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...