Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 2, 10-23)

Tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy tamin’izany ozon-doza tonga jamba izany.

Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony i Tôbia,
ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny,
dia niretaka teo ambody rindrina; ka nosintonin-tory.
Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy any amin’ny akaniny,
teo amin’ny masony roa ka tonga jamba izy.
Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany,
mba ho atao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany,
toy ny an’i Jôba lehilahy masina.
Fa satria hatramin’ny fahazazany, no natahorany an’Andriamanitra,
sy nitandremany ny didiny mandrakariva,
dia tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy,
tamin’izany azon-doza tonga jamba izany;
fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy,
nisaotra Azy isan’andro nandritra ny andro niainany.
Toy ny nanebahan’ireo loham-pirenena an’i Jôba, lehilahy sambatra,
no nanarabian’ireo havana aman-tsakaizan’i Tôbia ny fitondran-tenany,
nataony hoe:

“Fa zary inona ity fanantenanao,
tamin’ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty?”

Nanarin’i Tôbia izy ireo, nataony hoe:

“Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika,
ka ilay fiainana tsy maintsy homen’Andriamanitra
an’izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin’ny firaiketam-po aminy
no antenaintsika.”

I Annà vadiny nandeha isan’andro, nanenon-damba,
ary izay mety ho azony, tamin’ny asan-tanany dia nentiny niverina hiveloman’izy ireo.
Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak’osy,
ka nentiny tao an-trano.
Nony nandre ny fibarareok’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe:

“Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany,
ka avereno amin’ny tompony,
fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika,
na dia mikasikasika izany akory aza.”

Izay, dia novalian’ny vavy an-katezerana hoe:

“Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao;
izany no vokatry ny fiantranao?”

Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 7bd-8. 9

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Ny fony mitombina matoky ny Tompo;
ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay,
ny masony mibandrina ny rafilahiny.

Malala-tanana izy,
manome ny mahantra,
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia,

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)

Omeo an’i Sezara izay an’i Sezara, ary omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa
mba hamandrika Azy amin’ny teniny,
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona,
satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao,
fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina.
Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara:
handoa izahay sa tsy handoa?”

Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy:

“Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Itondray denie iray Aho hozahako.”

Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy:

“Sarin’iza, sy anaran’iza io?”

— Hoy iretsy hoe:

“An’i Sezara.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”

Dia nigagan’izy ireo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Tôbia (Tôb. 1, 1a. 2 ; 2, 1-9)

Andriamanitra no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka.

I Tôbia dia avy amin’ny fokon’i Neftali
sy amin’ny tanànan’i Neftali anankiray.
Lasan-ko babo izy, tamin’ny andron’i Salmanazara, mpanjakan’ny Asirianina,
nefa na tany am-pahababoana tany aza izy,
dia tsy mba niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana.
Taty aorian’izany, tonga ny anankiray amin’ny fetin’ny Tompo,
ary nanomanana sakafo lehibe tao an-tranon’i Tôbia,
ka hoy izy tamin’ilay zanany:

“Mandehana ary mitondrà mankaty olona vitsivitsy iray foko amintsika,
izay matahotra an’Andriamanitra,
hiara-misakafo amintsika.”

Dia lasa ilay zanany;
nony niverina izy, dia nilaza taminy fa misy zanak’i Israely anankiray,
novonoin’olona,
ka mitsitra foana ao an-dalambe ao.
Nitsangana niaraka tamin’izay i Tôbia,
niala tamin’ny latabatra, navelany teo ny sakafo,
tsy nihinana izy na dia kely aza;
nony tonga tany amin’ilay faty izy,
nalainy io, dia nentiny nafenina tao an-tranony,
haleviny amim-pahamalinana, rahefa maty ny masoandro.
Avy nanafina io izy vao nisakafo, tamin-kovitra aman-dranomaso,
fa tsaroany ilay tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Amôsa mpaminany hoe:

“Hanjary fitolokoana amam-pisaonana ny andro fetinareo.”

Nony maty ny masoandro, dia nivoaka handevina ilay faty izy.
Nanome tsiny azy avokoa anefa ny olona manodidina azy, nanao hoe:

“Efa nodidiana hovonoina ho faty ianao noho izany ihany,
ary vao afaka tamin’izany fanamelohana ho faty izany ianao,
dia manomboka mandevina ny maty indray!”

Andriamanitra anefa no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka,
ka nalainy ihany ny fatin’ireo novonoina,
nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)

Nosamborin’izy ireo ilay zanany malalany indrindra ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny fanoharana
tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nanao hoe:

“Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka,
ka namefy azy manodidina,
nandavaka tany hanaovana famiazana,
nanorina tilikambo tao,
ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka,
dia lasa nankany an-tany hafa.
Nony tonga ny fotoana,
dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy
mba handray ny vokatry ny tanim-boaloboka:
fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo,
ka sady nokapohiny no nampodìny maina.
Dia naniraka ankizilahy hafa ho any aminy indray izy,
fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka.
Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny;
ary nisy maro hafa koa,
fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny.
Dia ny zanany lahitokana malalany indrindra no sisa tao aminy,
ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy:

‘Hanaja ny zanako izy.’

Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe:

‘Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy,
dia ho lasantsika ny lova.’

Dia nosamboriny izy ka novonoiny,
ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.
Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany?
Ho avy izy ka ny mpiasa haringany,
ary ny tanim-boalobony hafindrany amin’ny hafa.
Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe:

‘Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;
avy tamin’Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika?’

Ary nitady hisambotra Azy izy ireo,
satria fantany fa Izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany,
saingy natahotra ny vahoaka izy;
koa nandao Azy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 34, 4b-6. 8-9)

Ny Tompo Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra.

Tamin’izany andro izany, dia nifoha maraina koa i Môizy,
niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’ny Tompo azy;
nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa.
Dia nidina tao anatin’ny rahona ny Tompo ka niara-nijanona taminy teo,
sy nanonona ny anarana hoe: Iaveh! Tompo!
Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe:

“Izaho no Iaveh Tompo,
Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana”.

Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy,
dia niankohoka, nanao hoe:

“Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo,
aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo,
fa vahoaka mafy hatoka ity.
Avelao ny heloka amam-pahotanay,
ary raiso ho lovanao izahay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56.

Deraina sy asandratra mandrakizay.

Isaorana ny Tompo Andriamanitry ny razanay:

Ny Anaranao masina be voninahitra:

Ianao ao an-Tempolinao masina:

Ianao eo ampiketraham-piandrianana

Isaorana Ianao mahatsinjo ny hantsana:

Isaorana Ianao eo ambony kerobima:

Ianao eny amin’ny habakabaky ny lanitra:

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 13, 11-13)

Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina.

Ry kristianina havana,
mifalia,
miezaha ho lavorary,
mifanalà alahelo,
miraisa hevitra,
mihavàna tsara,
dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny olomasina rehetra.
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo,
sy ny fitiavan’Andriamanitra,
ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)

Nirahin’Andriamanitra ny Zanany mba hamonjy izao tontolo izao amin’ny alalany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’i Nikôdema hoe:

“Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao:
nomeny ny Zanany tokana,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara izao tontolo izao,
fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina:
fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ezaka no hatao hanampiana sahady ny tovovavy hiatrika ny ho reny sy ho renim-pianakaviana. Manoloana ny fahasahiranan'ny reny, amin'izao fotoana izao, dia mampanahy ny fiatrehan'ireo tovovavy ho reny, aoriana ao, ny fiainana. Raha hisafidy ny hoe reny ny tovovavy iray dia tokony ho fantany izay manodidina ny fananahana. Ny reny dia ireo niteraka sy nanabe ara-batana ; ny renim-pianakaviana kosa ireo manabe ny saina sy ny fo, ny fanahy, ny maha olona manontolo. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...