Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18e)

Haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao ny Tompo.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mireharehà amin’ny fonao rehetra, ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny nihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema:

“Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 12, 2-3. 4bde. 5-6

Miantsoa mafy ary miravoravoa, fa lehibe eo afovoanao ilay Masin’i Israely.

Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy:
tsy matahotra intsony aho fa matoky!
Eny, fa ny Tompo no hery sy tanjako,
Izy no famonjena ahy.

Am-piravoravoana ianareo no hanovo amin’ny loharanom-pamonjena,
ka izao no ho teninareo amin’izay andro izay:
Derao ny Tompo, antsoy ny Anarany torio ny vahoaka ny asany vaventy,
ny haavon’ny Anarany ambarao!

Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana:
ataovy antso avo izany eran-tany tontolo.
Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna,
fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 4-7)

Akaiky ny Tompo.

Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo;
eny, averiko indray: mifalia e!
aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo:
efa akaiky anie ny Tompo e!
Aza manahy na inona na inona;
fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana,
izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie
ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 10-18)

Inona àry no hataonay?

Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe:

“Inona àry no hataonay?”

Dia namaly izy ka nanao hoe:

“Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana;
ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa”.

Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe:

“Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?”

Dia hoy izy taminy:

“Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo”.

Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe:

“Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?”

Dia hoy ny navaliny azy:

“Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana,
ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo”.

Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,
dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe:

“Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho,
ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho:
Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany,
ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra,
fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.

Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Alahady faha-2 fiavian’ny tompo — taona D : matokia, mifalia fa mpamonjy andriamanitra ; Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra. Ny fitorian'ny Joany ny Batemy dia amin'ny feo avo, i Joany dia ilay feo avy any anefitra, ako re avy any anefitra, ny ako dia avy amin'ny teny, ary ny teny dia i Kristy hiseho nofo aman-dra, io no manambara fa mpialoha lalana an'i Mesia i Joany. Ny endriky ny Batemy fibebahana dia izay nambaran'i Joany hoe : amboary ny lalan'ny Tompo. Miha tany efitra ny fiainantsika noho ny tsy fahampian'ny Vavaka sy ny fanadinoina an'Andriamanitra...

  • Namoaka fanambaràna momba ny fiainam-pirenena ny FFKM, taorian'ny fivorian'y Kômity tany Morondava. Mahantra sy ampahantraina ny vahoaka Malagasy maro an'isa hoy ny fanambaràna...
  • Kitoatoa ny fikarakaràn'ny CENI ny fifidianana Ben'ny Tanàna noho ny resaka "ordonnance" hoy Ramasy, anisan'ireo mpiara-mitantana ny antoko MFM...
  • Hosokafana any amin'ny Oniversite an'i Fianarantsoa ny lalam-piofanana momba ny tao-tsarintany nomerika. Tanjona ny hampiofanana mpianatra Malagasy eo amin'io sehatra io...
  • Haverina ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany any Roumanie ; nofoanan'ny Fitsaràna momba ny Lalam-panorenana ny fifidianana fihodinana voalohany ny 24 nôvambra teo...

  • Ny Fiangonana Katôlika indray no hitantana ny FFKM amin'ny taona 2025, araka ny tapaka tamin'ny fivorian'ny kômity foibe andiany faha-46 notanterahana tany Morondava...
  • Mpifidy vaovao maherin'ny 68.000 no nampidirin'ny CENI anaty lisi-pifidianana manerana ny nosy. Afaka hifidy amin'ny 11 desambra izao izy ireo, taorian'ny fahazoana ilay "ordonnance"...
  • Tokan-trano 400 isa no tandindomin-doza amin'ny fihotsahan'ny tany sy ny vato ao an-drenivohitra. Nametrahan'ny BNGRC saina mena 500 isa ireo Fokontany 7 amina faritra avo...
  • Miha-mahazo vahana any Syrie ilay vondrona mitam-piadiana Hayat Tahrir Al-Sham. Resy tosika ny tafi-panjakàna Syrianina, ahiana ny hionganan'ny filoha Bachar Al Assad...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...