24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.
24 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy— Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 11, 18-20)
I Jeremia niteny tamin’ny Tompo hoe:
“Nampahalalain’ny Tompo aho ka nahalala;
nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!
Izaho, tamin’izany,
hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina,
ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:‘Fongory mbamin’ny voany ny hazo!
Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy,
ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!’Mitsara ara-drariny anefa ny Tompon’ny tafika;
mamantatra ny soa sy ny fo Izy.
Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,
fa Ianao no efa nanankinako ny adiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 7, 2-3. 9bd-10. 11-12)
Ry Tompo Andriamanitra ô! Ianao no ifefeko.
Vonjeo amin’ny mpanenjika rehetra aho:
ndrao izy ho toy ny liona mandrotika,
mamiravira tsy misy mirombaka.
Tsarao araka ny fahamarinako aho, ry Tompo,
sy araka ny tsy fananako tsiny, ry Ilay Avo.
Valio ny haratsian’ireo ratsy;
ny olo-marina kosa ajoroy
ry Mpandinika ny fo sy ny saina,
ry Andriamanitra marina.
Ny Mpanao soa ahy dia Andriamanitra,
ilay Mpamonjy ny mahitsy fo.
Andriamanitra Mpitsara marina,
tsy mba mitezitra isan’andro
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)
Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka,
ny sasany nanao hoe:
“Ity tokoa no Ilay Mpaminany”;
ny sasany nanao hoe:
“Ity no Kristy”;
fa hoy kosa ny sasany:
“Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?
Tsy voalazan’ny Soratra Masina va
fa avy amin’ny taranak’i Davida,
sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida
no hiavian’i Kristy?”
Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.
Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy;
saingy tsy nisy sahy nitana Azy.
Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila,
ka nilazan’ireo hoe:
“Ahoana no tsy nitondranareo Azy?”
Fa hoy ny navalin’ny miaramila:
“Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.”
Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo:
“Ianareo koa angaha voasolokiny?
Jereo ange raha mba misy loholona
na Farisianina iray akory nino Azy?
Ary raha izay vahoaka foana
tsy mahalala ny Lalàna akory,
dia olona voaozona ireny.”
Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo,
no nanao taminy hoe:
“Moa ny Lalàntsika va manameloka olona
raha tsy efa re aloha ny teniny,
ka fantatra koa izay nataony?”
Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:
“Ianao koa ve avy any Galilea?
Diniho dia ho hitanao
fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.”
Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fah. 2, 1a. 12-22)
Tamin’ny faniasiavan’ny sainy no nifampilazan’ireo ratsy fanahy hoe:
“Ifanakony ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika,
manìny antsika amin’ny fandikantsika ny lalàna
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra
amin’izay nampianarana antsika.
Mihambo ho manana ny fahalalana an’Andriamanitra izy,
ary hataony hoe zanak’Andriamanitra ny anarany.
Faniniana ny hevitsika izy ho antsika
ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza;
satria tsy mba tahaka ny an’ny olon-kafa ny toe-piainany
ary ny lalany hafahafa.
Araka ny heviny, isika dia faikan-java-maloto foana,
ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto:
ny anjaran’ny marina, torìny ho tsara miafara;
ary mirehaka ho manana an’Andriamanitra ho rainy izy.
Aoka ho zahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy,
eo am-pialana amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina,
dia arovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.”
Izany no hevitr’izy ireo;
diso hevitra anefa izy;
fa jamban’ny haratsiany.
Tsy mahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy,
tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana;
ary tsy mino fa hisy valisoa ho an’ny fanahy madio.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 33, 17-18. 19-20. 21 sy 23)
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo.
Ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan’ny Tompo amin’izy rehetra.
Ny taolany ambenany avokoa,
ka tsy ahatapahana iray akory.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy izay mifefy aminy!
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay..
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea,
satria nitady hahafaty Azy ny Jody.
Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay.
Kanjo nony lasa ny rahalahiny,
dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy,
saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.
Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe:
“Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?
Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io,
ka no tsy misy sahy miteny Azy akory?
Sao dia efa fantatry ny loholona kosa
fa io no i Kristy?
Ny niavian’Izy io anefa fantatsika;
fa ny hiavian’i Kristy kosa
tsy misy hahalala rahefa tonga Izy.”
Dia niantso àry i Jesoa
tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly
ka nanao hoe:
“Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako.
Nefa tsy tonga ho Ahy Aho,
fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.
Izaho no mahalala Azy,
satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy.”
Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona,
kanefa tsy nisy sahy nitana Azy,
satria tsy mbola tonga ny fotoany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco