---/... Ankalazaina isaky ny faha 5-n’ny volana Jona ny andro Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana, araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1972. Anton’ny fankalazana moa ny mba hisarihana ny saina amin'ny toetry ny tontolo voajanahary maneran-tany ary indrindra indrindra ny hanasongadinana ireo olana ara-tontolo iainana vokatry ny nataontsika olombelona ihany.
• Hetsika maro samihafa no nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, androany 5 jona. Isan'ny nandray anjara tamin'izany ny Oratorio Don Bosco Ivato... • Mbola ambany ny tahan'ny vokatra ronono jifain'ny Malagasy, raha miohatra amin'ny atsy Afrika sy ny any Eoropa. Isan'ny nivoitra izany androany, nandritra ny fanamarihana ofisialy ny andro eran-tany ho an'ny ronono, teny amin'ny zaridainan'Antaninarenina... • Mandroso ny asa fananganana ny “Parc éolien” ao Antsiranana, hampitomboana ny famokarana herinaratra ao an-toerana...
• Sekoly maro ao anatin'ny Kaominina Talatamaty sy Ivato no miara-mandray anjara amin'ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, ety amin'ny Oratorio Don Bosco Ivato, amin'ity 5 jona ity... • Vonona hiady amin'ny endrika kolikoly rehetra manimba ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara, ny fitondrana Fanavaozana, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana... • Hiatrika lalao sakana hahafahana miroso any amin'ny lalao ampahefa-dalana ao anatin'ny fiadina ny amboara eran-tany eo amin'ny taranja Basketball lalaovin'olona telo, ny Ankoay Lehilahy anio. Hihaona amin'i Lafrantsa...
Raha mijery ny tontolo iainantsika eto Madagasikara, indrindra ny ety andrenivohitra dia hita sy tsapa fa miana ao anaty loto ny mponina. Antony maro no mety mahatonga izany fa ny ho resahatsika anio dia mikasika ny “sachet plastique” sy ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina, ny zava-misy momba ny fampiharana ny lalàna misy, ary ireo safidy maharitra sy mora ampiasaina hisolo ny plastika amin'ny fiainana.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco