Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 4-8)
Tamin’izany andro izany, i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela
ka nandroso lalana indray andro tany an’efitra;
ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray,
dia nangataka ny ho faty, nanao hoe:
“Aoka izay! Alao amin’izao ny aiko, ry Tompo ô,
fa tsy tsara noho ny razako aho”.
Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ny kofafambohitra.
Fa indro nisy Anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe:
“Miarena ianao hihinana”,
Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany,
nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara;
ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’ny Tompo, nanohina azy,
sy nanao taminy hoe:
“Miarena ianao hihinana, fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao”.
Dia niarina izy, nihinana sy nisotro,
ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina,
tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany,
ho any Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana,
ny henatra tsy hanaloka ny tavanareo;
ity ory velona antso, ka novalian’ny Tompo,
novonjeny tamin’ny ahiahiny rehetra izy.
Ny Anjelin’ny Tompo milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra Azy.
Ankafizo ity hamamin’ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 30 — 5, 2)
Ry kristianina havana,
aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra
Izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana,
fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy,
ka hifampiantra sy hifamela heloka,
toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo.
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy,
Izay nanolo-Tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika,
mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 41-52)
Tamin’izany andro izany,
nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe:
“Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”.
Hoy izy ireo:
“Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity,
izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?
Ka ahoana àry no anaovany hoe:
‘Nidina avy any an-danitra Aho?’”
Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Aza mimonomonona ianareo.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory
raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe:
‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’.
Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.
Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory:
fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
Izaho no Mofon’aina.
Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany;
tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra,
fa tsy ho faty izay mihinana azy.
Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Alahady faha-18 mandavantaona — B : Ray aman-dreny mpamelona Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Izay manatona an'i Jesoa Kristy, tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Azy tsy hangetaheta. Ny fimonomononana dia toetra andavanandron'ny tanora miala sakana, tsy mety manaiky sy mandray ny zava-misy, tsy mahatsapa izay tsara mahasoa azy, ary mikomy sy midongy amin'ny ray aman-dreny toa ity voalaza amin'ny vakin-teny voalohany ity izay toetran'ny vahoaka nanoloana an'i Môizy. Avy amin'ny teny hebrio "manne - o" izay midika hoe "inona itony" no niavian'ny anaran'io mofo avy any an-danitra io....
♦ Hoarenina ny ONE eny Antaninareina. Dingana manaraka hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny firesahana amin'ny mpiara-miombon'antoka... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny Malagasy manao fiantohana ny ainy sy ny fananany. Tsy misy afa-tsy 1% ny anjara entiny ao amin'ny PIB... ♦ Hanamarika ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra etsy Antsahamanitra ny tarika Tirike sy ny mpandihiny. Fampisehoana hatao rahampitso tolakandro... ♦ Nohamafisin'ny fahefana misahana ny fifidianana any Venezuella omaly ny voka-pifidianana ka nahalany indray ny filoha amperin'asa Nicolas Maduro, hitondra ny tany sy ny fanjakàna indray...
♦ Nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe eran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Saleziana tao Rome omaly ny Kardinaly Angel Fernandez Artime. Fihaonambe hatramin'ny alarobia izao miompana amin'ny loha-hevitra hoe " Mamolavola ho an'ny ho avy mamiratra"... ♦ Hiara-hiasa hiantoka ny fampiasam-bola sy ny fintantanana ny loza mety hitranga ny EDBM sy ny trano fiantohana ARO. Nosoniavina omaly teny Antaninarenina ny fifanarahana momba izany... ♦ Hanao fihaonambe eto Antananarivo ny sabotsy 31 aogositra izao ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy na ny K.I.M.M. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara hoy izy ireo nandritra ny fihaonana teny Faravohitra...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco