♦ Niantso ny rehetra mba hampitsahatra ny lainga sy ny kabary tsara lahatra ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina, nandirtra ny Sorona Masina famaranana ny fankalazana ny taon-jobily volamenan'ny Fihavaozana Karismatika... ♦ Niompana tamin'ny fiaraha-miasan'i Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny famokarana herinaratra azo avy amin'ny rian-drano, mba hamenoana ny angovo tsy ampy eto amintsika, ny fihaonana teo amin'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny Filoha malagasy, Andry Rajoelina androany...
♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...
♦ Nodimandry omaly i Jean André Soja, fantatra tamin'ny anarana hoe Kaleta. Nahafantaran'ny maro azy ny tontolo pôlitika, ankoatra ny naha mpandraharaha azy... ♦ Mbola mitohy anio ny fanadinam-panjakana bakalôrea, ho an'ireo hiatrika ny taranja “Sciences économiques et sociales” ary ny adina an-tsoratra EPS. Hanohy ny taranja teknika kosa ireo mpiadina bakalôrea teknika, amin'io herinandro ho avy io... ♦ Manjaka indray ny fahatapahan-jiro mifandimby amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mikorontana noho izany koa ny famatsian-drano amin'ny toerana sasany...
♦ Mbola maro ireo laza adina niparitaka tamin'ny tambajotran-tserasera nandritra ity Bakalôrea 2024 ity. Nifarana androany izany fanadinam-panjakana izany ho an'ny fampianarana ankapobeny... ♦ Handiso ny tena fifandanjan-kery pôlitika marina, ny fifidianana Ben'ny Tanàna ho avy eo, indrindra izay hahazo ny fitantanana ny tanànan'Antananarivo, hoy ny antoko Teza... ♦ Nitotongana indray ny sandam-bola malagasy Ariary. Efa tafakatra 4.970 Ariary ny Euro iray amin'izao. Hitondra fanazavana ny mpahay teo-karena iray eo anivon'ny CREM...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco