Mpianadahy i Koly sy Tovo, izay samy milona ao anatin'ny rendrarendra. I Koly dia voasariky ny tosiky ny tambazotra sôsialy hanao asa fivarotan-tena amin'ny fomba miavaka. Vazaha lahy iray, atao hoe Esteban-Fernando, avy any LaFrantsa no nifanaiky tamin'i Koly, fa hiaraka mandritra ny 4 volana any Nosy-be, hanao fizahan-tany. Ny fianakaviana misy an'izy mianadahy dia misy olana ara-pifandraisana, indrindra eo amin'ireo ray aman-drenin'izy ireo.  

♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana teny amin'ny foiben'ny CENI teny Alarobia androany, ireo mpanao pôlitika mpanohitra, tao aorian'ny fanambarana natony. Milaza ny tsy handray anjara amin'ny fampihaonana ataon'ny CENI amin'ny zoma, izy ireo... ♦ Tsy nanakana ny dinika niarahan'ny CENI tamin'ireo antoko pôlitika sy ny fiarahamonim-pirenena, nanoina ny antsony, ny fisitahan'ireo mpanohitra... ♦ Tsy voatana ny datin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, izay tokony hatao manomboka ny zoma izao. Ho fantatra tsy ho ela kosa ny daty hanatanterahana izany, hoy ny tompon'andraikitra...

♦ Mitsidika ny faritanin'i Madagasikara ny mpanolotsaina jeneralin'ny Salezianin'i Don Bosco, misahana an'i Afrika sy i Madagasikara, P. Alphonse Owoudou... ♦ Nosokafana androany maraina ny andro ho an'ny fikaonan-doha marolafy tao amin'ny Seminera zokiny Paul VI, Antsiranana... ♦ Nanentana ny kristianina hivavaka ho an'ny raim-pianakaviana ny Papa François noho ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa...

♦ Miantso ny mpiara-dia aminy hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana sy hanara-maso akaiky ny zotram-pifidianana ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM nandritra ny famoriam-bahoaka natao ny sabotsy teo... ♦ Hosokafana amin'ny alarobia izao eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny faha-76 taonan'ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Baolina kitra : nanomboka omaly ny fampivondronana an'ireo mpilalao mandrafitra ny Barean'i Madagasikara hiatrika ny lalao amin'ny Centre-Afrique amin'ny alakamisy izao... ♦ Mivahiny any Rosia mandritra ny hateloana nanomboka androany ny filoha sinoa Xi Jinping, mijoro ho mpanelanelana eo amin'ny ady misy eo amin'ny Rosia sy Ukraine...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...