Ny fandrosoan'ny kolontsaina no hanasongadinana ny fandrosoan'ny firenena. Ny toe-karena voarindra no mitsinjo ny fiainan'ny tsirairay. Ny Eglizy dia manentana sy manosika amin'ny fitadiavina ny "vraies significations de la nature et de l'homme". Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alarobia 22 marsa 2023 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 17-30)

♦ Miakatra ny reniranon'i Sisaony noho ny rotsak'orana. Anatin'ny filazana loza manambana na ny loko mavo amin'ny mety hisian'ny tondra-drano ny lemak'Antananarivo lalovan'ny reninrano Sisaony... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimiera mpanao lalana, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, hoy ny Minisitry ny Asa, Fampanana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana sôsialy... ♦ Mifarana androany ny taona 2022, ho an'ireo mpandala ny taom-baovao malagasy...

♦ Tsy misy ny antoka milaza fa mampangarahara ny lisitry ny mpifidy ny fanaovana “audit” ataon'ny CENI amin'izao, hoy ny Federasiônn'ny Gadra pôlitika... ♦ Tapaka vonjimaika, tsy azo aleha ny Lalam-pirenena faha-7, mandalo any Behenjy, noho ny tondra-drano, nateraky ny fiavian'ny orana naharitra alina. Niakatra 1 metatra ambonin'ny arabe ny rano any an-toerana... ♦ Hita ilay zazavavy varira, rehefa nisy naka an-keriny, nandritra ny iray volana sy 10 andro, tany Taolagnaro. Nokasain'ireo mpaka an-keriny hamidy 150 tapitrisa Ariary, amin'izay mahasahy mividy azy...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...