♦ Noamasinina sy napetraka amin'ny fikerahana ho Eveka ao ami'ny Diôsezi'i Maintirano omaly Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo ; Eveka faharoa tao amin'ny Diôsezy izany... ♦ 11 no maty, 7 hafa naratra, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faha-8A, mampitohy an'Antsalova sy Maintirano. Fiarabe mpitatitra vato nikasa ho any Maintirano nitondra olona 24 no nivadika vokatry ny lalan-dratsy... ♦ Sarotra ny manova ekipa amin'izao toe-draharaha pôlitika misy eto Madagasikara izao ka rariny raha tsy nanova Praiministra ny filohan'ny repoblika hoy ny solombavambahoaka manohana ny fitondrana... ♦ Lasan'ny Espaniôla ny Euro 2024...
Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...
Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mikea 2, 1-5)
Loza ho an’izay mieritreritra ny hanao ratsy
sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony!
Raha vao maraina koa tanterahiny izany,
raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Tsiriritiny ny saha, ka alainy;
ny trano koa, ka lasany;
anaovany ankeriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Ka izao no lazain’ny Tompo:
“Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity,
ka tsy ho azonareo hanafahana ny vozonareo;
ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.”
Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo
sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe:
“Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika;
amidiny ho anjaran’ny vahoakako!
Ahoana no angalany izany amiko?
Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?”
Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina
hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 9b, 1-2. 3-4. 7-8. 14
Ahoana ny Tompo no mijanona eny lavitra?
no miafina amin’ny andro fahoriana?
Ny olon-dratsy mirehaka;
ny ory forehitra sy voagejan’ny tetika voakaly.
Ny olon-dratsy mirehareha amin’ny fanirian’ny fony;
ny mpierina misahato, manazimba ny Tompo.
Ny olon-dratsy milanja orona, tsy manana ahiahy:
ny ambentin-keviny: “Tsy misy Andriamanitra!”
Ny vava feno ozona, fanaovana an-kery sy fitaka;
ambany lela, fampahoriana sy hasomparana.
Manotrika akaikin-tanàna, mamitsaka:
dia vonoina an-takona ny madio.
Ianao anefa mahita ny fahoriana sy ny alahelo,
izay karohinao mba hatao an-tanana.
Ianao Tokin’ny malahelo.
Ianao Mpitahy ny kamboty.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco