Noraisin'ny vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny rariny sy ny fiadanana ho fanamarihana ny 08 marsa ny loha-hevitra hoe : ny vehivavy sy ny fananan-tany. Nisarihana ny fisainan'ny rehetra ny mba hanomezana hasina ny vehivavy ny hoe : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy eo amin'ny lafiny ara-nofo sy ara-tsaina fotsiny ihany fa eo amin'ny maha-olona azy mihitsy koa. Ny vehivavy dia omen'ny lalàna zo mitovy feno sy mitovy amin'ny zon'ny lehilahy amin'ny lafiny fananan-tany. Mandrisika ny vehivavy ny tompon'andraikitra mba hiroso amin'ny ara-dalàna afahana misitraka sy manamafy ny fizakan-jo ; ohatra ny fisoratam-panambadiana. Maro ny vehivavy misehatra amin'ny asa fananan-tany ary mendrika amin'ny asa ataony... 

♦ Nakotroka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fanamarihana ôfisialy teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina notarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena Mialy Rajoelina... ♦ Miisa 10 ny olona maty vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Freddy tany amin'ny morontsiraka atsimo-andrefan'ny nosy araka ny tatitra navoakan'ny BNGRC omaly. Maherin'ny 70.000 isa no traboina avy amin'ny fianakaviana 16.500 isa mahery... ♦ Nodimandry vokatry ny lozam-piarakodia nahazo azy omaly ny lehiben'ny Distrikan'Ivohibe. Navarin'ny rano tao amin'ny tetezan'i Menarahana lalam-pirenena faha-27 ny fiara nitondra azy...

Tsy afa-miala amin'ny soa iombonana ny pôlitikan'ny Eglizy. Ao amin'ny Eglizy ny olona ary natao hifandray amin'ny hafa, sady tsy manavakavaka. Tsy afa-miala sy tsy maintsy mifandray amin'ny fitondrana ny Eglizy, izy no fanilo sy fahazavana eo anivon'izao tontolo izao. Tsy fironan-kevitra ny Eglizy fa finoana nolovana tao ireo fifandimbiasan'ny Apôstôly, izay misy rafitra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alakamisy 9 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...