♦ Nahitàna tavoahangy nisy fofona solika nanakaiky ny fahamaizan'ny Rovan'Ambohidratrimo. Olona maro no efa notànana atao fanadihadiana, raha ny namabaran'ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Nisehoana trangana ambalavelona tao amina sekolim-pinoana iray tao Mahajanga omaly. Tovovavy mpianatra 50 isa no tratran'izany, ka nihiakiaka sy nihinjitrinjitra... ♦ Nanameloka ny fisiana miaramila tratra tamina fandrobàna vola ny Ministeran'ny Foloalindahy. Namoaka fampitam-baovao izy ireo fa tsy tompon'andraikitra amin'ny fihetsika ivelan'ny asa ara-dalàna nataon'ireo miaramila ireo...

Ny Eglizy dia tsy voafehin'ny rindram-pandrosoana manokana (môdelim-pitantanana ekônômika, na pôlitika, na vondrom-pihaviana na firazanana) hany ka katsahiny ny firaisan'ny olombelona rehetra (tranobe iombonana ity tany onenantsika ity hoy ny Papa François) Ny Eglizy ao amin'i Kristy dia toy ny Sakramenta... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

• Nankalazaina tany Antsirabe ny sabotsy 25 avrily 2026 ny tsingerin-taona faha-100, namoronana ny vola malagasy Ariary. Notokanana nandritra izany koa ny masoivoho faha-11 an'ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Nankalazaina ny sabotsy teo teny amin'ny sekoly ambony manofana veterinera eny Ambatobe, ny andro maneran-tany ho an'ny mpitsabo biby... • Miverina eo amin'ny tontolo politika indray ny Filohan'ny antoko Fanarenana, Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha, Razafimahefa Herimanana, rehefa nangingina tao anatin'ny roa taona sy tapany teo ho eo...

Resy lahatra ny Eglizy fa Andriamanitra ihany no hany afaka manome fahafaham-po ny faniriana lalina ao am-pon'ny olombelona na eo aza ny  haren'ny tany izay manintona azy. Eo anatrehan'ny herin'ny fahotana sy ny halemena maha-olona dia i Kristy mihitsy no zary lalàna fototra mamerina ny hasina maha-olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...