• Anio zoma 24 avrily no hihaona amin'ireo fikambanan'ny tanora Gen Z eny amin'ny lapam-panjakana Mahazoarivo, ny Lehiben'ny Governemanta. An-jatony ireo fikambanana voalaza fa namaly ny fanasan'ny Praiminisitra... • Sakana amin'ny fananganana orinasa eto Madagasikara ny tsy fahamarinan-toeran'ny fitondrana sy ny kolikoly, raha ny tarikefa hitan'ny EDBM tao anatin'ny 20 taona nijoroany... • Mametraka fanamby hisian'ny teti-bola iombonana ahafahan'ireo mpanoratra Malagasy manonta ny vokatra vokariny ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera...
Tamin'ny alalan'ny Teny no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao sy ny zava-misy ao aminy. Mbola io Teny io no Tonga Nofo ka nonina teto an-tany dia i Jesoa Kristy, ilay olombelona lavorary indrindra ary niditra tao amin'ny tantaran'izao tontolo izao izy, mba hamerina ny hasin'ny maha-olombelona izay simban'ny fahotana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Haroso amin'ny volana mey ho avy io ny fanombohan'ny Fikaonandoham-pirenena. Miantso ireo mpisehatra rehetra ho vonona amin'izany ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana... • Miandry Filankevi-panjakana na mbola manohy ny asany na miala ihany koa ireo Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo, miisa 55. Nanazava ny momba izany androany, Andriamatoa Toavina Ralambomahay... • Mitaky ny hanovana ny lalana mifehy azy, ireo mpivarotra sy mpaninjara fanafody ara-dalana. Karazam-panafody 183 isa ihany hatramin'izao no azon'izy ireo amidy...
♦ Andraikitry ny rehetra ny manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana hoy ny ministra tompon'andraikitra Andrianavalona Heriso. Hovoriana ny mpisehatra amin'ny fifamoivoizana eto Madagasikara ka hoampiarina ny lalàna, hosaziana ireo tsy manara-dalàna... ♦ Namaha olana amin'ny fananan'asa teto Madagasikara ny fisian'ny sampam-pianarana manofana ho injenieran'ny harena ankibon'ny tany eny amin'ny sekoly ambony Pôliteknika eny Vontovorona... ♦ Manohy ny fifampiresahana amin'ny mponina voakasiky ny tetik'asa ny tompon'andraikitra eo anivon'ny PAAEP, ho fahazoana rano fisotro madio...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco