• Hiova ho "Université virtuelle", izany hoe hiroso amin'ny fampiasana ny tontolo nomerika ny fampitana ny fampianarana eo anivon'ny CNTEMAD... • Mbola mitoetra ho aretina mamono olona be indrindra eto Madagasikara ny tazomoka hatramin'izao. Isan'ny fantatra izany androany, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany iadiana amin'ny tazomoka... • Nankalazaina androany teny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fanatajahan-tena. Lohahevitra nanamarihana izany ny hoe : ny fanatanjahan-tena manala ny sakana mba hifandraisana...
Nitondra anjara biriky lehibe amin’ny sehatry ny toekarena indrindra fa ny famoronan’asa hoan’ny malagasy ny sampam-pianarana manofana ho injenieran’ny Harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo Vontovorona. Sampam-pianarana namoaka injenieran’ny Harena an-kibon’ny tany voalohany teto Madagasikara ary iray amin’ireo sampampianarana miisa 16 ao amin’ity sekoly ambony ity. Afaka miasa amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany ny tanora nivoaka tao noho ny fahalalana natolotra azy ireo...
• Lohahevitry ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ity taona ity ny hoe : "Manorina ho avy ao anatin'ny fandriam-pahalemana"... • Tobim-pahasalaman fototra, na CSB, miisa 501 no efa nisitraka ny fampidirana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro. Vinavinaina hitombo 90 izany ao anatin'ny 2 volana farany hifaranan'ny tetikasa LEAD... • Fanambin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra rehetra miasa amin'ny sekolim-panjakana, hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana...
Iza aho? Tanora mitady ny maha-izy azy, miresaka safidy, soatoavina ary ny anjara toeran'ny finoana amin'ny fiainana. Fanontaniana fototry ny fananganana ny maha-olona. Miresaka ihany koa ny mety ho sakana tsy afahana mahafantatra ny maha-izy ny tena. Fotoana iray, hifampizarana andram-piainana mahafinaritra kely. Tsara ny hanana olona azo tahafina amin'ny fiainana, eny, hanao tantsoroka amin'ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco