Ny fanabeazana sy ny fitaizana dia tsy afaka misaraka, ary mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana ny zanaka ho tompon'andraikitra ka ny ray aman-dreny no tahafina amin'izany, mba hahay handrindra ny fiainana, hamelona sy hiaro ny ankohonana ary indrindra hitsinjo ny ho avy; etsy ankilany ny fitaizana dia fampitana fahalalana, hahazoana fahaizana, faharanita-tsaina, izay rantovina any am-pianarana. Ny fanabeazana dia mirona amin'ny rafi-tsaina fa ny fitaizana dia mandrani-tsaina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Hatramin'ny fiandohan'ny tantarany mihitsy ny Eglizy no efa niezaka nanambara ny hafatr'i Kristy tamin'ny fampiasana ny fomba fihevitra sy fitenin'ny firenen-tsamihafa. Miohatra amin'ny fivoarana misy, izay tsy azo ihodivirana dia mandroso miaraka amin'izany koa ny fandraisan'ny Eglizy izay fivoarana takian'ny toetr'andro sady mifanohana amin'ny Vaovao Mahafaly... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
♦ Niakatra teo anivon'ny Fampanaovana teny Anosy omaly ireo olona voarohirohy tamin'ny fikasana hanao hetsika fanakorontanana sy fikasana hanimba fananam-panjakàna tamin'ity volana avrily ity. Isan'ny voarohirohy tamin'izany ilay teratany Frantsay miaramila teo aloha Guy Barret sy Kôlônely Patrick Rakotomamonjy... ♦ Masoivoho maromaro no notendrena nandritra ny filan-kevitry ny ministra hiasa amin'ny firenena aty Afrika sy any Eraopa... ♦ Maherin'ny 840.000 ny aina very vokatry ny loza amperin'asa maneran-tany. Manodidina ny 12 miliara Dollar ny fatiantoka hateraky ny olana ara-tsaina any amin'ny toeram-piasana...
Ny fivoarana sy ny fandrosoana : Manambara fifindrana, na ezaka na hetsika, ho amin'ny toerana tsara kokoa. Ireto fototra dimy ireto no tokony hifandanja mba handavorary ny fandrosoana : ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy sy ny maha-olona ara-piaraha-monina. Toetra sakana : Mifosa mandany fotoana sy manakorontana ny fiaraha-monina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abaraham.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco