♦ Novisy 17 mirahalahy no nanonona ny voady voalohany tao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco tao amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux ny 08 septambra 2023... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, ny talata 05 septambra 2023 ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, voatendry ho Evekan'Antsirabe... ♦ Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa momba ny fikarohana ara-pitsaboana tao Vatican, ny tompon'andraikitry ny Hôpitaly Bambino Gésu, ny Hôpitaly Gemelli Isola Toberina, ny Fondation Policlinico Gemelli ary ny Oniversite katôlika Fo Masin'i Jesoa...
Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Raiso ho antson'Andriamanitra ny fikatrohana ao amin'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo, hoy i P. Pierre Marcial Rakotomahefa, tamin'ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Ankalazao ny Tompo... ♦ Nanentana ny tanora hihazakazaka hitondra an'i Jesoa tsy amin-tahotra eo amin'ny fiainana, i Mgr Alfredo de Nobrega, tamin'ny famaranana ny JMJ Diôsezy faha-7, tao Mananjary... ♦ Nifarana androany ny famangiana apôstôlika nataon'ny Papa François tao Mongolie...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 15-17)
Teny marina tokoa sy mendrika hitokiana indrindra izao:
Tonga tetý an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota,
ary izaho no lohany indrindra aminy;
fa izany indrindra no nahazoako famindram-po,
dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha,
mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie,
dia Ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana,
ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 112, 1-2. 3-4. 5a sy 6-7
Derao, ry mpanompon’ny Tompo.
Derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva:
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!
Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ka miondrika Izy mijery,
na lanitra izany na tany.
Alàny amin’ny fako ny ory,
esoriny avy eo ny mahantra.
Aleloia. Aleloia.
Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 43-49)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy,
na hazo ratsy mamoa voa tsara.
Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra;
fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo,
na voaloboka amin’ny voaroitsilo.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara
avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony;
ary ny olona ratsy fanahy kosa
mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony;
fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko,
nefa tsy manao izay lazaiko?
Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy
ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy:
tahaka ny olona anankiray manao trano izy,
izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy,
ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany,
nefa tsy nampihontsona azy akory izany,
satria tsara orina tambony vatolampy izy.
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka,
dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony
eo ambonin’ny tany tsy àry fototra,
ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay,
ary loza ny faharavan’izany trano izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco