Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 24 — 2, 1-3)

Voatendry ho mpandraharahan’ny Fiangonana aho mba hitoriako ny tsiambaratelon’Andriamanitra tsy nambara taloha.

Ry kristianina havana,
ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho,
fa mameno ao amin’ny nofoko
izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny Eglizy;
fa voatendry ho mpandraharaha azy aho
noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo,
mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany,
dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby,
fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina,
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny jentily
ny voninahitr’izany hevi-miafina izany,
dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Izy no torìnay,
ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa
araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavan’ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy,
araka ny heriny izay iasany fatratra ato amiko.
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny ady iadiako ho anareo
sy ho an’ny any Laôdisea mbamin’izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy,
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo,
sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana,
ary hananany fieken-tsaina mazava tsara,
ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy,
izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 61, 6-7. 9

Andriamanitra no Famonjena ahy sy Voninahitro.

Eny manko! ao amin’Andriamanitra mianina, ry fanahiko:
fa Izy no tokiko!
Eny manko! Izy no Vatolampiko sy Famonjena ahy,
Fiarovana-avo ho ahy: tsy hihontsona aho!

Matokia Azy lalandava,
ry vahoaka!
Mamosaha fo
anoloan’Andriamanitra tokintsika!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)

Nitsikilo Azy izy ireo na hanasitrana andro Sabata Izy na tsia.

Indray sabata hafa koa i Jesoa,
dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.
Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia,
mba hahitany antony hiampangana Azy.
Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo,
ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana:

“Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.”

Dia nitsangana ilay io ka nijoro,
ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Manontany anareo Aho,
inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny manao soa sa ny manao ratsy;
ny mamonjy aina sa ny manala aina?”

Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo
ka hoy Izy tamin-dralehilahy:

“Ahinjiro ny tananao.”

Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany.
Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana,
ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 33, 7-9)

Raha tsy niteny hananatra ny ratsy fanahy ianao, dia hadiniko aminao ny rany.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Ianao, ry zanak’olona no efa notendreko ho mpitily,
ho an’ny taranak’i Israely,
ary rehefa mandre teny aloaky ny vavako ianao
dia hanaitra azy amin’ny Anarako.
Raha niteny Aho nilaza tamin’ny ratsy fanahy hoe:

‘Ho faty marina ianao, ry ilay ratsy fanahy’,

ka tsy miteny ianao hananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
dia ho faty amin’ny helony ihany ilay io,
noho izy ratsy fanahy,
nefa hadiniko aminao ny rany.
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao,
hialany amin’ny lalany,
fa izy no tsy mety miala amin’ny lalany,
dia ho faty ao amin’ny helony izy,
fa ianao kosa hahavonjy ny fanahinao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 94, 1-2. 6-7

Raha mba mihaino ny feon’ny Tompo ianareo anio, aza manamafy ny fonareo.

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin’antsa.

Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika; — isika kosa,
vahoakany, ondry eo an-tanany.
Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!

Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra,
tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 13, 8-10)

Ny fitiavana no fahatanterahan’ny Lalàna.

Ry kristianina havana,
aoka tsy hisy hanan-trosa, aminareo,
afa-tsy ny fifankatiavana;
fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny Lalàna.
Satria ny hoe:
Aza mijangajanga,
aza mamono olona,
aza mangalatra,
aza miampanga lainga,
aza mitsiriri-javatr’olona,
mbamin’ny didy hafa rehetra,
dia voalaza fohy amin’ny teny hoe:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana,
ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny Lalàna an-tsakany sy an-davany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha diso taminao ny namanao, dia manatòna azy;
ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny namanao;
fa raha tsy mihaino anao izy,
makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa,
dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.

Lazaiko marina aminareo
fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny,
dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

♦ Hotanterahana ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, amin'ny talata 5 septambra 2023, ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Pascal Andiantsoavina... ♦ Homarihana ny sabotsy 2 septambra 2023 ny Taom-bolamenan'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo... ♦ Hasandratra ho Olontsambara ny alahady 10 septambra 2023 any Pologne, i Joseph sy Victoria Ulma, miaraka amin'ny zanany fito mianadahy...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 21-23)

Nampihavaniny aminy ianareo mba hatsangany ho masina sy tsy manan-tsiny.

Ry kristianina havana,
taloha ianareo dia lavitra an’i Kristy sy fahavalony,
tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,
fa ankehitriny kosa nampihavanin’Andriamanitra amin’ny Tenan’i Kristy nofo tamin’ny nahafatesany,
mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
raha tahiny ianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin’ny finoana,
ary tsy azo tsoahina hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely,
izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly,
ho mpandraharaha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 53, 3-4. 6 sy 8

Indro Andriamanitra manampy ahy.

Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny Anaranao aho;
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko;
mampandria sofina amin’ny tenin’ny vavako.

Indro Andriamanitra manampy ahy;
ny Tompo no ilay Mpanohana ny fanahiko.
Koa avy misorona amin’ny hazavam-ponao aho!
Eny, ry Tompo; tonga hidera ny hasoan’ny Anaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)

Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?

Indray Sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany,
ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:

“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”

Sady nampiany hoe:

“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...