Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 1-8)

Tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo fa ny ainay koa aza.

Ry kristianina havana,
tenanareo no mahalala, fa tsy foana ny fidiranay tatý aminareo;
fa nony avy nampahoriana sy nalam-baràka tany Filipy izahay,
araka ny fantatrareo rahateo,
dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatý aminareo,
tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka.
Fa tsy mba avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny,
fa araka ny nankasitrahan’Andriamanitra
ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy,
tsy toy ny mila sitraka amin’ny olombelona,
fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.
Satria tsy mba nanao teny fandokafana na oviana na oviana izahay,
araka ny fantatrareo;
na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona),
na nitady voninahitra tamin’olombelona,
na taminareo izany, na tamin’ny hafa;
ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana,
noho ny maha-Apôstôlin’i Kristy anay,
dia naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 1-2. 3-4. 5-6

Tompo ô, mandinika ahy Ianao ka mahafantatra!

Tompo ô, mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!

Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!

Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 23-26)

Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny nanao hoe:

“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo;
nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo,
dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.
Izany no tsy maintsy arahinareo,
nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
Ry mpitari-dalana jamba,
ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo!
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo,
nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana.
Ry Farisianina jamba,
diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia
mba ho madio koa ny vohony.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 2b-5. 8b-10)

Niala tamin’ny sampinareo ianareo, ary mitodika any amin’Andriamanitra, miandry ny Zanany ilay natsangany ho velona.

Ry kristianina havana,
misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo,
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
fa fantatray, ry havana malalan’Andriamanitra, fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fampiekena tanteraka;
sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b

Sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
fankalazana am-bava an’Andriamanitra,
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)

Loza ho anareo, ry mpitarika jamba!

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:

“Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy
fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra;
ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety
mba hahazo mpianatra na dia iray aza;
ka nony mahazo ianareo,
dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe:

‘Raha misy mianiana amin’ny tempoly,
dia tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly,
dia voafehy izy.’

Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena?
Ary koa:

‘Raha misy mianiana amin’ny ôtely,
tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny,
dia voafehy izy.’

Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely,
dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;
izay rehetra mianiana amin’ny tempoly,
dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny;
ary izay mianiana amin’ny lanitra,
dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra,
sy amin’izay mipetraka eo amboniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 22, 19-23)

Hapetraka eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida.

Izao no lazain’ny Tompo an’i Sôbnà, lehiben’ny ao an-dapa:

“Horoahiko hiala eo amin’ny fitoeranao ianao,
haongan’ny Tompo amin’ny raharahanao ianao”.

Ary izao no hitranga amin’izany andro izany:
Hiantso ny mpanompoko Aho,
dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,
ka hampiakanjoiko azy ny akanjo vitanao,
hampanaoviko azy ny samboadinao;
hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao;
dia ho tonga ray izy amin’ny mponina ao Jerosalema,
sy amin’ny taranak’i Jodà.
Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida,
ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina;
handrindrina izy, tsy hisy hamoha.
Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny toerana mafy izy,
ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 137, 1. 3. 6 sy 8bd

Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao, aza atsahatra ny efa nataon’ny tananao.

Midera Anao amin’ny foko tontolo aho,
satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako;
miantsa Anao eo anatrehan’ny Anjely aho,
miankohoka mitodika ny Tempolinao.

Midera ny Anaranao masina aho, ry Tompo,
noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao:
nasehonao ho lehibe ny Anaranao,
sy ho ambonin’ny voaary rehetra ny teninao.

Rehefa miantso aho, Ianao mamaly
sy mampitombo ny hery ato amiko.
Avo ny Tompo ka miondrika amin’ny iva,
ny mpiavona kosa ataony tazan-davitra.
Mandrakizay ny fitiavanao, ry Tompo:
aza atsahatra ny efa ataon’ny tananao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 33-36)

Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana,
endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra,
tsy azo fantarina ny fitsarany, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo,
ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?
Sa iza no nanome azy aloha, mba hahazoany valin’izany?
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.
Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)

Ianao no Piera, ary omeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo taminy:

“Ny sasany manao hoe i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny mpaminany”.

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”.

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy)
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra”.

Ary tamin’izay,
dia noraràny ny mpianany tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Rota (Rota 2, 1-3. 8-11 ; 4, 13-17)

Tsy navelan’ny Tompo tsy hana-mpandimby ny vahoakanao. Itý ny rain’i Izaia, rain’i Davida.

Nanana havam-bady anankiray i Nôemi,
lehilahy manan-jo sy manan-karena,
avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io,
ary Bôôza no anarany.
Ary hoy i Rota ilay Môabita tamin’i Nôemi:

“Mba te-handeha ho any an-tsaha aho
hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.”

Ka hoy izy namaly azy:

“Andeha, anaka.”

Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary
tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja,
ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Bôôza,
fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.

Dia hoy i Bôôza tamin’i Rota:

“Izao no izy, anaka:
Aza mandeha mitsimpona any amin’ny tanimbary hafa,
aza miala eto,
fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizivaviko.
Jereo izay tanimbary hojinjaina dia manaraha eo aorian’ireo.
Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao.
Ary raha mangetaheta ianao,
mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.”

Tamin’izay,
dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany,
ka nanao taminy hoe:

“Inona no mba nahitako fitia teo imasonao
ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?”

Dia hoy ny navalin’i Bôôza azy:

“Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho;
sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao,
ka nankanesanao atý amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.”

Dia nampakarin’i Bôôza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Bôôza.
Ary nampanana anaka an’i Rota ny Tompo ka niteraka zazalahy izy.
Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemi:

“Hisaorana anie ny Tompo
fa tsy navelany tsy hanam-panavotra ianao ankehitriny.
Hankalazaina anie ny Anarany eo amin’i Israely!
Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao,
fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao
ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.”

Dia noraisin’i Nôemi ny zaza ka nataony teny antrotroany,
ary izy no nitaiza azy.
Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy, ary nanao hoe:

“Nahazo zazalahy i Nôemi”,

ka nataony hoe Obeda ny anarany.
Izy no rain’i Izaia, rain’i Davida.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany.
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao.
Ny zanakao: solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo.
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Milaza fotsiny izy fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany i Jesoa,
niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany hoe:

“Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina,
ka atainginy eo an-tsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety antsoina hoe Raby fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe mpampianatra;
fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry,
ary izay hanetry tena dia hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...