Vakiteny voalohany

Fiantombohan’ny Bokin’i Rota (Rota 1, 1. 3-6. 14b-16. 22)

Nody niaraka tamin’i Rota, Môabita, i Nôemi ary niverina tao Betleema izy ireo.

Tamin’ny andron’ny Mpitsara, dia nisy mosary teo amin’ny tany.
Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà,
nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Môaba,
niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemi,
ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.
Naka vady tamin’ny vehivavy Môabita izy ireo,
ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota,
dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo.
Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna,
ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.

Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Môaba,
satria reny tany amin’ny tanin’i Môaba
fa efa novangian’ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina.
Fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.
Ka hoy i Nôemi:

“Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andrianianiny iry ny zaobavinao,
ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.”

Fa hoy i Rota:

“Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao,
fa izay halehanao no halehako,
izay honenanao no honenako,
ny firenenao no ho fireneko,
ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”

Toy izany no nodian’i Nôemi,
ary niaraka taminy i Rota, Môabita, vinantovaviny
izay avy any amin’ny tanin’i Môaba.
Tonga tao Betleema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana ny ôrja.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 5-6. 7. 8-9a. 9bd-10

Derao ny Tompo, ry fanahiko.

Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.
Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny.

Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo tia ny olo-marina,
Tompo mpiaro ny vahiny.

Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena;
fa mampiviona kosa ny olon-dratsy.
Tompo manjaka mandrakizay;
dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin’ny taona mifandimby!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao; tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Tamin’izany andro izany,
ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra,
ary amin’ny sainao rehetra.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tanora mafana fo, vontom-pinoana, mitory ny Evanjely: io no hafatra napetrak'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina, nandritra ny Eokaristia Masina fanirahana ireo tanora, namaranana ny JMJ faha-3 ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nifarana ny alahady lasa teo ny fankalazana ny ivon'ny faha-50 taonan'ny Vondrom-bavaka Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, natao tany amin'ny Diôsezin'i Mahajanga. Tao anatin'izany ihany koa no nanatontosana ny Fihaonambe Nasiônaly faha-15 sy ny fankalazana ny faha-10 taona nisian'ny "Croisade" sampana tanora eo anivon'ity Vondrom-bavaka ity...

♦ Tanora manodidina ny 2216 no miatrika ny JMJ andiany faha-3, tanterahan'ny ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina, nanomboka andraony hatramin'ny alahady 20 aogositra 2023... ♦ Fotoana fanamasinana ireo pretra sy diakra ny volana aogositra, nanatanteraka izany tamin'ny talata 15 aogositra 2023, ny tao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Diakra 6 mirahalahy ary pretra roa... ♦ Nanamarika ny 15 aogositra 2023, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiaraha-mifaly tamin'ireo Masera Filles de Marie de Saint Denis de la Réunion...

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 11, 29-39a)

Hatolotra ho sorona amin’Andriamanitra izay mivoaka ny trano voalohany indrindra.

Tamin’izany andro izany,
tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’ny Tompo ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy,
ary tonga hatrany Masfà, any Galaada:
ary avy ao Masfà any Galaada dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna.
Nivoady tamin’ny Tompo i Jefte nanao hoe:

“Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna,
dia ho an’ny Tompo ary atolotro ho sorona dorana
izay mivoaka ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy,
rahefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho.”

Dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna i Jefte,
ary natolotry ny Tompo teo an-tanany ireny,
ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin’i Menita, nahazoany tanàna roapolo,
sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo.
Dia voaetry teo anoloan’ny zanak’i Israely ny taranak’i Amôna.

Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte,
ka intý ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy,
nitondra amponga tapaka sy nandihy.
Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy,
tsy nisy lahy na vavy hafa.
Vao nahita azy i Jefte dia nandrovitra ny fitafiany, ka nanao hoe:

“Adray, anaka,
mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy,
fa efa niloa-bava tamin’ny Tompo aho,
ka tsy afa-mifody intsony.”

Dia hoy izy taminy:

“Dada ô, efa niloa-bava tamin’ny Tompo ianao,
ka ataovy amiko izay naloaky ny vavanao,
satria efa novalian’ny Tompo ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao.”

Ary hoy izy tamin-drainy:

“Itý no mba soa ataovy amiko:
Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana:
dia handeha ho any an-tendrombohitra,
ary hitomany ny fahavirjiniako miaraka amin’ireo namako.”

Hoy ny navaliny azy:

“Ndeha àry.”

Dia navelany handeha roa volana izy.
Ka nandeha niaraka tamin’ny namany,
nitomany ny fahavirjiniany tany an-tendrombohitra izy.
Nony tapitra ny roa volana,
dia niverina tany amin-drainy izy,
ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 5. 7-8a. 8b-9. 10

Intý aho tamy, Tompo, hanao ny sitrakao.

Sambatra ny olona
manao ny Tompo ho tokiny,
tsy miherika
amin’ny rendrarendra sy ankosotra!

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana.
Ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Voasoratra ao amin’ny Boky
ny momba ahy.
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko.
Eny, ato anatin’ny foko ny Lalànao.

Torìko ao am-piangonam-be
ny Fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo,
tsy akomboko ny molotro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

Antsoy ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lehiben’ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray
nanao itý fanoharana itý hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:
Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy,
ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava atý amin’ny fampakaram-bady ianareo.
Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony;
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.

Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy nandoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:
Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana,
ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.
Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.
Ary niditra ny mpanjaka nizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:
Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto,
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?
Fa sina ilay olona;
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:
Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidìna.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...