Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 9, 6-15)

Hoy ianao: Aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa ny Tompo no Mpanjakanareo fahiny.

Tamin’izany andro izany,
dia nivory ny mponina rehetra tao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao rehetra,
ka tonga izy ary nampanjaka an’i Abimeleka,
teo amin’ny terebintan’ny tsangambato any Sikema.
Nony nilazana izany i Jôatama,
dia lasa nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Garizima,
ka nanandratra ny feony, nanao hoe:

“Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo koa.
Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka handimby azy;
ka hoy izy tamin’ny ôliva:

‘Manjakà aminay ianao.’

Fa hoy ny ôliva taminy:

‘Ho foiko va ny diloiloko,
izay mahalaza ahy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona,
ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’

Dia ny aviavy indray no nataon’ny hazo hoe:

‘Avia, ianao hanjaka aminay.’

Fa hoy ny aviavy taminy:

‘Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto,
ka handeha hihevingevina erý ambony hazo hafa?’

Dia ny voaloboka indray no nilazan’ny hazo hoe:

‘Avia, ianao hanjaka aminay.’

Fa hoy ny voaloboka taminy:

‘Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an’Andriamanitra sy ny olombelona,
ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’

Tamin’izay dia hoy ny hazo rehetra tamin’ny tsilo milobolobo:

‘Avia ianao hanjaka aminay.’

Dia hoy ny tsilo tamin’ny hazo:

‘Raha marina tokoa ary,
fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka,
dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko,
fa raha tsy izany,
aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7

Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao!

Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao
sy miravo aoka izany amin’ny fandresenao!
Izay irin’ny fony omenao;
ny vavaky ny molony tsy lavinao!

Tsenainao tso-drano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.
Ny fiainana angatahiny omenao:
dia andro mitandavana mandrakizay!

Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy.
Ataonao fitso-drano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Sa ratsy ny masonao satria tsara Aho?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.

Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja;
ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy,
mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antonony.
Dia nankany ireo.
Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy:
Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?
Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay.
Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.

Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:
Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany,
aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany.
Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe:
Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro.
Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo:
Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehana,
fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho,
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Dia toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 6, 11-24)

Ry Jedeôna, ndeha afaho i Israely: ho fantatrao fa homba anao Aho.

Tamin’izany andro izany, dia tonga ny Anjelin’ny Tompo
ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera.
Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay,
mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’ny Madiàna azy.
Niseho taminy ny Anjelin’ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Momba anao ny Tompo, ry lehilahy mahery.”

Fa hoy i Jedeôna taminy:

“Indrisy, Tompoko, raha momba anay ny Tompo,
ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay?
Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe:
‘Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va ny Tompo?’
Fa efa nafoin’ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny;
ary efa natolony eo an-tanan’ny Madiàna.”

Dia nitodika azy ny Tompo ka nanao hoe:

“Mandehana amin’izao hery anananao izao,
ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely;
tsy efa nirahiko va ianao?”

Ary hoy i Jedeôna taminy:

“Indrisy, ry Tompo ô!
Amin’ny inona no hanafahako an’i Israely?
Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin’i Manase,
ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’i dada.”

Fa ny Tompo nanao taminy hoe:

“Homba anao Aho,
ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiàna.”

Hoy i Jedeôna taminy:

“Raha nahita fitia teo imasonao aho,
mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko.
Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao,
mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.”

Dia hoy ny Tompo:

“Hiandry mandra-piverinao Aho.”

Nony niditra i Jedeôna,
dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah,
ka rahefa nataony tao anaty harona ny hena,
ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.
Hoy ny Anjelin’ny Tompo taminy:

“Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay,
apetraho eo ambonin’itý vatolampy itý, sy rotsahy ny ro.”

Dia nataony izany.
Ary naroson’ny Anjelin’ny Tompo ny lohan’ny tehina teny an-tanany,
ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay,
dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy,
nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay;
ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’ny Tompo.
Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’ny Tompo iny ka hoy i Jedeôna:

“Maty aho, ry Tompo Andriamanitra ô,
fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’ny Tompo.”

Hoy ny Tompo taminy:

“Tomoera amim-piadanana,
aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.”

Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’ny Tompo ka nantsoina hoe:
Tompo-Fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14

Miteny fiadanana ho an’ny olony ny Tompo.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana,
ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.

Indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amy tany;
mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny rariny.

Handrotsaka orana anie ny Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany;
fa lalan-kizoran’ny Tompo
ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany,
ka nanao hoe:

“Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?”

Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:

“Tsy hain’olombelona izany,
fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”

Namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao,
ka inona àry no ho azonay?”

Hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana,
ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany;
ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo,
ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Ary izay rehetra handao ny tranony,
na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny,
noho ny Anarako,
dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Nefa maro izay voalohany no ho farany,
ary maro koa izay farany no ho voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 2, 11-19)

Nanangana mpitsara ny Tompo, kanefa tsy nohenoiny izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
nanao ratsy teo imason’ny Tompo ny zanak’i Israely,
fa nanompo an’ireo Baala.
Nafoiny ny Tompo Andriamanitry ny razany,
izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
fa andriamani-kafa,
tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny,
sy niankohofany teo anatrehany,
ka nampahatezitra ny Tompo izy ireo.
Fa ny Tompo nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.

Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’ny Tompo
ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy,
ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Izay nalehany namelezan’ny tanan’ny Tompo hampahory azy avokoa,
araka ny efa voalazan’ny Tompo,
araka ny nianianan’ny Tompo taminy rahateo
ka dia azon’ny fahoriana mafy be izy.
Nanangana mpitsara ihany ny Tompo hanafaka azy ireo tamin’izay nandroba azy;
nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy;
fa nandeha nitolo-tena tamin’ny andriamani-kafa,
sy niankohoka teo anoloan’ireny.
Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany,
izay nitandrina ny didin’ny Tompo;
tsy nanao tahaka izany izy.
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo ny Tompo,
dia nomban’ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo
tamin’ny tanan’ny fahavalony,
tamin’ny andro rehetra iainan’ny mpitsara;
satria nalahelo ny Tompo noho ny fitarainany
teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.

Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy
mihoatra noho ny razany indray aza,
ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy
sy hiankohoka eo anatrehany,
fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 34-35. 36-37. 39-40. 43ab sy 44

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Ireo olona voalazan’ny Tompo
dia tsy naringany velively.
Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.

Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.
Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.

Voazimban’ny nataony izy ireo,
zary janga noho ny asany.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny vahoakany,
tonga halany mainty ny lovany.

Matetika anefa nafahany ihany;
kanjo niasa nikomy sy nihombo hadisoana.
Kanjo hitany ny fahaporetany;
henony ny ferin’ny ainy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)

Raha tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao.

Indray andro,
nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy Izy namaly azy:

“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao,
tandremo ny didy.”

Dia hoy izy hoe:

“Didy inona avy?”

Dia hoy i Jesoa:

“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy ilay tovolahy taminy:

“Hatra ny fony mbola kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”

Nony nandre izany teny izany ilay zatovo,
dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 56, 1. 6-7)

Ny zanaky ny vahiny hoentiko eo an-tendrombohitro masina.

Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo:
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ao an-tendrombohitro masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:

“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 66, 2-3. 5. 6 sy 8

Hidera Anao ny vahoaka, Andriamanitra, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano;
hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany,
ho hain’ny firenen-drehetra ny vonjinao!

Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena,
satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny
mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana,
mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.

Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany,
ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 11, 13-15. 29-32)

Tsy misy anenenany ny fanomezan’Andriamanitra sy ny fiantsoany an’i Israely.

Aminareo Jentily havana no itenenako:
amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy,
dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho,
mba hahavelom-pialonana amin’ireo tapako,
sy hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao.
Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao,
hanao ahoana kosa ny fandraisana azy:
tsy ho fitsanganan-ko velona va?
Satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy Kananeanina anankiray nivoaka avy amin’izany tany izany,
niantsoantso mafy nanao hoe:

“Mamindrà fo amiko,
ry Tompo Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”.

Fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:

“Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika”.

Ary hoy ny navaliny azy:

“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho”.

Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:

“Tompo ô, vonjeo aho!”

Nefa novaliany hoe:

“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”.

Ary hoy ravehivavy:

“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany”.

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao”.

Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...