Hatrany ampihandohana dia efa voadidy hiasa isika olombelona, ka amin'ny alalan'ny fanaovana ny tsara sy ny asa araka ny tokony ho izy no handavorariana ny tena. Ireo fitsipika tokony hifehy ny asan'ny olombelona : memetraka fa ny hasarobidin'ny asa dia miankina amin'ny fanatsaràna ny maha-olombelona manontolo fa tsy amin'ny famokarana ara-nofo fotsiny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

• Tsy hita taratra ny fitsitsiana ny volam-bahoaka nodradradraina. Fandaniam-bola fahatany no nataon'ny fitondrana tany amin'ny hetsika tany Toliara, hoy ny antoko VAMI, androany... • Naneho ny ahiahy amin'ny fisian'ireo olona voasambotra noho ny fanehoan-kevitra mitaky fanovana, ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka, Sampana Antananarivo. Namoaka fanambarana momba izany izy ireo... • Nahazo fanampiana ara-tsakafo milanja 5.000 taonina avy amin'ny Amerikana i Madagasikara. Hamonjy aina sy hanampy olona hatrany amin'ny 3 hetsy any amin'ny faritra atsimon'ny nosy izany...

♦ Nambaran'ny filohan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH fa olana ho an'ny mpanangom-bokatra sy ny tantsaha sasany nindram-bola tany amin'ny Banky ny fidinan'ny vidin'ny vary amin'izao fotoana izao. Tsy ny tantsaha maro an'isa no manana olana momba izany hoy izy... ♦ Tsy misy atahorana ny fielezan'ny andiam-balala any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy ny ao amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Voafendraka fanafody avokoa ny roa ampahatelon'ny velaran-tany nisy andiam-balala... ♦ Nahazo chapelle vaovao ny Fonjan'Ambalatavoahangy ao Toamasina...

♦ Tsipahan'ireo tanora eny amin'ny toby Ankamasoa ny vaovao naparitaka tamin'ny tambazotra sôsialy fa manafina olona karohan'ny mpitandro filaminana i Mompera Pédro Opéka. Nametraka fitoriana eny amin'ny Sampana misahana ny heloka an'habaka izy ireo... ♦ Mitohy hatrany ny tolona mandra-pahatanteraky ny fitakiana nandritry ny fidinana teny an-kianja tamin'ny taon-dasa hoy ireo tanora ao amin'ny Gen-Z, tonga teny Ambohijatovo ny sabotsy teo... ♦ Hankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny Sampam-piofanana manofana ho Injeniera momba ny harena ankibon'ny tany eny Vontovorona, hatomboka amin'ny zoma izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...