♦ Nanamarina ny fahabangan-toeran'ireo solombavambahoaka roa voatendry hisahana andraikitra hafa eo amin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Fampiharana ny fifanarahana napetraky ny OACI no antony nanakatonana ny Sekoly ambony ENEAL hoy ny Tale Jeneralin'ny Aviation Civile de Madagascar... ♦ Manomboka miverina ireo karazam-biby efa tsy hita teo aloha toy izany koa ny rano ao amin'ny tobin'ala Analatelo any amin'ny Distrikan'i Morombe taorian'ny fanarenana nataon'ny Tetik'asa Mionjo sy Tany Meva...

Ny telo volana fahatelo dia manana ny lanja, afahana mandrefy ny fivoaran'ny mpianatra sy ny asa fanabeazana. Ny fanadinam-panjakàna dia mamaràna ny telo volana fahatelo, noho izany dia singa lehibe mitondra any amin'ny fahafaham-panadinana sy fahazoana marim-pahaizana. Manam-pahaizana : manana fahaizana sy fahalalana amin'ny zavatra na asa iray. ny manampahaizana kosa dia ireo manana fahalalana maro-lafy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Ny fisian'ny didy fampisamborana mahakasika ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy no nampidirana azy am-ponja saingy mbola mitohy ny fanadihadiana momba ny tenany hoy ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Nandà ny hifampidinika amin'ny Praiministra Rajaonariso Mamitiana ny fikambanana Gen Z 261, tsy misy ny fifampidinihana azo atao manoloana ny fanaovana herisetra, ny fisamborana ary ny fampihorohoroana hoy ireto farany... ♦ Hiova ho oniversitem-panjakàna an-jotra mampiasa ny tontolo nomerika manomboka izao ny CNTEMAD, hampahafantarina mandritra ny varavarana misokatra ny zoma sy sabotsy izao ny momba izany...

Ny zava-boary rehetra sy ny fiaraha-monina dia samy manana ny lalàny sy ny soatoaviny na ny hasiny manokana, izay tsy maintsy fantarina sy ampiasaina ary mila mifanaraka amin'ny sitrapon'ilay Mpahary ny fampiharana azy mba ho tena ara-drariny io fizakan-tena ny zavatra ara-nofo io. Andriamanitra dia Fitiavana, tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...