♦ Niampy roa indray ireo Olomasin'ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômana, Olontsambatra roa no naroso ho eo amin'izany laharana izany omaly. Anisan'izany ilay Frera Salezianina, Artémide Zatti... ♦ Mamangy ny fikambanana eto Madagasikara ny Père Général an'ny Fikambanan'i Jesoa. Anisan'ny notsidihina ny tany amin'ny Diôsezin'i Mananjary sy ny tao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa... ♦ Natsangana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Fraternité Franciscaine ao Vohipeno...
10 ôktôbra — Teraka tany Grèce tamin'ny fiantombohan'ny taonjato fahafito, avy amin'ny fianakaviana gauloise na bèlge i Ghislain. Tao aorian'ny nandalinany haisoratra tao Athènes dia niditra tao amin'ny fikambanana manaraka ny fitsipi-piainan'i Masindahy Basile izy, ary nohamasinina ho pretra. Nisy nilaza fa arseveka tao Athènes ihany koa izy.
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
09 ôktôbra — I Denis, dia eveka niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Teraka tao Italie izy ary nohamasinina ho pretra sy eveka ka nalefan'ny papa hitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule, niaraka tamin'ny eveka dimy hafa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco