♦ Nifarana omaly ny andro eran-tany ho an'ny tanora na ny JMJ Mada andiany faha-10 notanterahana tao Antsirabe... Any amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina indray ny JMJ manaraka amin'ny taona 2026... ♦ Velom-panantenana amin'ny ho avy ny Eglizy hoy ny Eveka malagasy mahita tanora votom-pinoana, saha maneho amin'ny fomba mendrika ny maha vavolombelon'i Kristy ao anatin'ny hatanorana. Miantso ny tanora handray andraikitra amin'ny fiaraha-monina ny fivondronamben'ny Eveka... ♦ Valan'aretina Covid-19, nahitàna tranga vaovao miisa 14 ny fitiliana natao nandritra ny herinandro farany. Eto amin'ny Faritra Analamanga avokoa ny 12 amin'ireo. Tsy nisy ny lavon'ny aretina...
05 septambra — Zanaky ny mpisoron’ny Tamieh tao Fayoum, tany amin’ny sisin-tanin’i Lybie i Raïssa. Roapolo taona izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Dioclétien. Resy lahatra io amperora sy ny mpiara-miasa aminy fa hamotika ny fivavahana kristianina.
Ny tantsoroka sy ny kolom-panahy dia fanentanana hataon'ny fiangonana amin'ny alalan'ny katesizy mikasika ny fianakaviana. Maro ny loha-hevitra mikasika ny fiankaviana no horesahina amin'izao fandaharana izao ary hametrahana ny tanjona hikolokoloina ny fiainam-pianakaviana ara-panahy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'ny pretran'i fiangonana.
Alatsinainy 5 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 6-11
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco