Ny 06 janoary no ankalazaina ny fisehoan'i Jesoa Zanak'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao, Ilay Mesia, Teny tonga nofo eo amin'izao tontolo izao novangian'ireo Majy antsoina koa hoe Epifania. Marihana fa noho ity daty ity andro fiasana no mahatonga ny firenena sasany hankalaza azy ny alahady faharoa aorian'ny Noely.
Misy fomba fivavahana maro azo atao raha hanao vavaka miainga amin'ny Tenin'Andriamanitra : isan'ny fampiasa matetika ny " fandinihana" sy ny fibanjinana. Ny fandinihana dia maka andalan-tSoratra Masina iray ho entina mandini-tena, hakana voka-tsoa ara-panahy. Rehefa avy nandray ny Tenin'Andriamanitra ka nandinika izany ny kristianina dia manohy miaina izany... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco