• Nahiditrra am-ponja vonjimaika i Jean Luce Randriamihoatra noho ilay raharaha voka-pifidianana teo anivon'ny tranokalan'ny CENI. Naharitra ora maro ny fakàna am-bavany azy teny Anosy omaly...
  • Tsy hitsahatra hiakatra ny vidim-piainana amin'ity taona 2025 ity, hoy ny Profesora Ralison Roge...
  • Diso fanantenana amin'ny pôlitikan'ny fitondràna ho an'ny mpiasa amin'ity taona ity ny RANDRANA SENDIKALY. Nanantena izy ireo fa mba hisy ny fampiakaran-karama hifanitsy amin'ny fisondrotry ny vidim-piainana...
  • Nametra-pialàna omaly hariva ny Praiministra Kanadiana, Justin Trudeau. Antony ny tsy fananan'ny antoko Liberaly misy azy ny maro an'isa intsony, eo anivon'ny Parlemanta...

I Masindahy Raymond de Penyafort no ankalazaina ny 07 janoary. Teraka tokony ho tamin'ny 1175 tao amin'ny lapam-pianakaviana tao Vilafranca de Penedès akaikin'i Barcelone i Raymond. Fianakavian'ny mpanjaka tao Aragon sy ny Comte tao Bercelone izy.

Mila kaliana sy tandremana tsara ny fanaovana ny "méditation". Mila mitandrina tsara satria betsaka loatra ny karazam-pivavahana no miresaka momba azy io ary manao fampiharana. Mazàna ny "médiation" fanaon'ny tandrefana no tena maro mpanao, faniriana hahita fiadanam-po, satria eritreretina hanangonana hery, hitondra herim-po hiatrehana ny hitakitaka tsinahy, ny ankivy... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Niakatra fampanoavana androany i Jean Luce Randriamihoatra, voarohirohy tamin'ilay resaka voka-pifidianan'ny CENI...
  • Nisy namaky ny trano misy ny "émeteur" an'ny fahitalavitra tsy miankina Real TV eny Ambohimitsimbina. Toerana voaambina ary tsy azon'iza n'iza idirana anefa eny an-toerana hoy ny fampitam-baovao...
  • Tsy hitsahatra hiakatra ny vidim-piainana amin'ity taona 2025 ity, hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana ny Profesora Ralison Roger...
  • Mbola nanamafy ny filohan'i Azerbaidjan androany fa i Rosia no tompon'antoka tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina tany Kazhakstan ; tsy mbola naneho hevitra momba izany fiampangana izany ny Rosianina...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...