Alahady 29 jona 2025 : Fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Piera sy i Paoly, Apôstôly ; ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Masindahy Piera no nanankinan'i Jesoa ny Eglizy, tao Cesare an'i Filipo. Apôstôly roa lehibe tsy azo hampitahaina i Masindahy Piera sy Paoly : nanankinana ny Eglizy, nanely ny finoana, samy nijoro tamin'ny finoana. Nitety firenena maro tany Eorôpa i Masindahy Paoly, ary notapahan-doha tao Rome tamin'ny taona 76...
28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.
Ny apôstôlàn'ny lahika dia ny fandraisana an-tanana sy anjara mavitrika ataon'ny lahika amin'ireo asa famonjena ny olona iandraiketan'ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina noraisina tamin'ny Sakramentan'ny Batemy sy ny Fankaherezana no apinga entina manatanteraka ny asa no maniraka. Ny Lahika rehetra dia manana adidy hitondra famonjena ho an'ny olona tsy ankanavaka... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
♦ Feno 29 taona anio ny Radio Don Bosco FM 93.400. Fanamby hatrany ny hanakaikezana hatrany ny mpihaino... ♦ Niavaka ny fankalazana ny 26 jona omaly teny Mahamasina, nisy ireo teratany vahiny nandray anjara... ♦ Tsy hisy atahorana ny famatsiana solika, hoy ny Ministry ny Angovo sy ny ankoran'afo Jean Baptiste Olivier...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco