♦ Miloko mainty ny setroka nivoaka tamin'ny fantson-tsetroka ao an-tafontranon'ny Lasepely Sixtine omaly. Mbola tsy voafidy araka izany ny Papa... ♦ Nanokana roa andro hanaovana ny fihaonana mivantana hiarahana amin'ireo solombavambahoaka ny governemanta dia ny 12-13 jona ho avy izao... ♦ Vonona ny mpiasan'ny haino vaky jery rehetra hiatrika fifaninana "Iray eny An-kianja" - Intermédia 2025" Hetsika ho atao ny sabotsy izao eny Mahamasina... ♦ Hifamotoana amin'ny lamesa ao amin'ny Chapelle Pauline indray ireo kardinaly miatrika conclave anio amin'ny 8 ora sy fahefany ka hanomboka hifidy indray izy ireo adin'ny iray aorian'izay...
08 mey — I Md Désiré dia teraka tao Sancy tamin'ny fiatombohan'ny taonjato faha-6. Nobehazina tamin'ny fitiavam-bavaka kristianina izy sy ny fandalinana ny haisoratra, niaraka tamin'ireo rahalahiny roa, ary fantan-daza tao an-tanàna tamin'ny hatsaram-panahiny.
Tenin'i Kristy tamin'ny Apôstôly ny hoe :" toy ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa" ; tsy hoe asa tsy maintsy tanterahin'ny Eglizy na azo heverina ho tsy laharam-pahamehana akory aza ny maha-iraka fa tena anisan'ny mandrafitra sady maneho ny maha-izy azy mihitsy. Io iraka io no anisan'ny ilazàna fa "apôstôlika" ny Eglizy, ny apôstôly midika hoe voairaka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Misitraka famatsiam-bola 10 tapitrisa Dolara, hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro avy amin'ny tahirim-bola maitso, i Madagasikara... • Miandrandra mafy ny hihaona mivantana amin'ny mpikamban'ny Governemanta, ny ankamaroan'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa izao... • Olona dimy mpanao trafikana rongony no efa voasambotra tany amin'ny Distrikan'i Betroka, ary an-taonina ireo rongony no efa tratra, vokatry ny ezaky ny zandary any an-toerana...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco