Ny sehatra mampivondrona sy mampifandray dia ny Fiangonana, mahay mifandefitra, mahay mifankatia, mahay mifanaja. Ny fetim-pirenena dia toa ny "andro fandroana", fotoana fifamelan-keloka, fotoanan'ny fampihavanana, fotoana famadihana pejy indrindra raha nisy zava-dratsy niainana. Ny tsy fananana fotoana hifampiresahana amin'ny manodidina dia mahatonga fiolonolonana ; etsy ankilany ny "fahaiza-mihaino" dia endriky ny fanehoana fitiavana, fanomezan-kasina sy lanja ny manodidina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tafakatra 20 ny isan'ireo maty nandritra ilay fety teny Imerikasinina Ambohimangakely ny sabotsy teo. Fanapoizinana ny sakafo, famosaviana niniana natao, no nisy ka ho fantatra tsy ho ela ny marina momba ity raharaha ity hoy ny Ministra delegé misahana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Notoloran'ny Fanjakàna Malagasy mari-boninahitra noho ny ezaka fiarovana ny harena voajanahary ny Profesora Lyly-Arson René de Roland. Nanolotra izany ny MInistry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Hotanterahana ny 4 hatramin'ny 7 septambra izao ny F.I.A 2025, miaraka amin'ny festival iraisam-pirenena ho an'ny hay momba ny sakafo, mpikarakara Mada Vision...

19 jona — I Masindahy Romuald dia teraka ny taona manonidinana ny 951, avy amin’ny fianakaviana Onesti, ducs de Ravenne. Sergio no anaran-drainy, nanabe azy tao anatin’ny fitadiavana fafinaretana izy io. Indray andro raha niady taminy ny rainy sy ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia i Romuald no nasain’ny rainy ho vavolombelona hanatrika ny adin’izy ireo izay niafara tamin’ny fifamonoana.

Mpanampy mahatoky sady mahefa ny Eveka ny Pretra : toy ny zanaka izy ireo ary sakaiza eo anatrehan'ny eveka. Ny Pretra ao amin'ny Eglizy katôlika dia ireo nandray ny sakramentan'ny filaharana tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanan'ny eveka izay manamasina azy. Ho an'ny Eglizy Latina dia tsy manambady ny pretra fa ho an'ny tatsinanana dia manamasina pretra manambady izy ireo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...