• Mizotra any Maroc amin'izao minitra itenenana izao ny lalaon'ny Barea sy i Centrafrique, fifanintsanana Modial 2026... • Mpifidy vaventy maromaro no tsy afaka handatsa-bato amin'ny fifidianana Loholona amin'ny 11 desambra 2025. Very zo ireo olom-pirenena amin'ireo Kaominina tokony namerenana fifidianana, hoy ny KMF/CNOE... • Tanora maherin'ny arivo no voaentana amin'ny tokony hahaizana mampiasa ny teknolojian'ny fifandraisana sy ny tambajotran-tserasera, noho ny tetikasa “Mahasaky”. Nisy ny vokatra azo, hoy ny manatanteraka io tetikasa io...

♦ Vidin'ny la vanille maitso : Tafidina hatrany amin'ny 400 Ariary ny kilao aminà Faritra sasany eto Madagasikara, raha ny antso avo nataon'ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Tsy tokony ho sakana amin'ny fanoloana ny toeran'ireo ben'ny tanàna maty ny resaka raharaham-pitsarana mbola mandeha hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Lalao hiatrehana ny "Coupe du monde 2026" : anio no hihaona amin'ny ekipa-pirenena Centrafrique ny Barea an'i Madagasikara anatin'ny anro fahafiton'ny fifanitsanana... ♦ Ady any Gaza : olona maherin'ny 60 indray no fantatra fa namoy ny ainy tao Bande de Gaza taorian'ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...

♦ Nakantoavin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny datin'ny 11 desambra hanaovana ny fifidianana Loholona araka ny tolo-kevitry ny Ceni... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy anio maraina ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) andiany fahafito etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 35% ny tahan'ny fanaovam-baksiny ny zaza teto Madagasikara taorian'ny COVID-19, fanamby ny havitan'ny 90% amin'ny zaza Malagasy vita vaksiny hatramin'ny faran'ity taona ity... ♦ Any Gaza : Ankizy maherin'ny 21.000 isa lasa nitondra takaitra, manan-takaitra tsy fidiny vokatry ny ady misy eo amin'i Israël sy Hamas...

Tamin'ny alalan'ny Teniny no nanambaran'Andriamanitra ny tenany. Tsy nitazana fotsiny ny fahalavoan'ny olombelona tamin'ny fahotana Andriamanitra fa tompon'andraikitra amin'izay nohariany Izy, amin'ny alalan'ny famonjerana maro lafy. Na dia nisy aza ny endri-pamaizana samihafa dia nisy ireny mba hitazonana ny fahalavorariana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...