Ny fiadanana tian'i Kristy ambara dia ny finoana Azy ho Tompo sy Andriamanitra ary ny fiekena fa tafatsangan-ko velona tokoa Izy, izany hoe nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana. Tsy tokony hitebiteby ao am-po ny mpianatr'i Kristy, fa miezaka hianatra sy hahalala ny Soratra Masina ary miaina izany mba tsy ho voafitaka sy voafandriky ny fiainan'izao tontolo izao. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Sabotsy 25 febroary 2023 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)
♦ Asa tanamaro, fanarenana ny CEG Mananjary, izay potiky ny rivodoza Freddy, no namaranana ny fitsidihan'ny Filohan'ny Repoblika, ny tany Mananjary androany tolakandro... ♦ Tsy hampisy fitoniana amin'izao mialoha ny fifidianana izao, ny fanakanana ny antoko pôlitika hamory ny mpomba azy, toy ny teny amin'ny Magro Behoririka androany, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Mila hamafisina ny fanatsarana ny ady amin'ny kolikoly eo amin'ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany malagasy, hiarovana ny zon'ny mponina voakasika, hoy ny TI-MG androany...
♦ Nanatontosa ny atrik'asa fandravonana ny angonan-kevitra ho an'ny Sinaody "Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly ireo solontenan'i Madagasikara, ny 15 ka hatramin'ny 19 febroary 2023... ♦ Nosokafana ny alahady 19 febroary 2023 ny Aumônerie Catholique Universitaire ao amin'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Sorona Masina tamin'ny fombam-pivavahana bizantinina, notarihin'ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao Vatican, Mgr Paul Gallagher, no nanamarihan'ireo mpino okreniana ny tsingiren-taona voalohan'ny adin'n'i Russie sy Ukraine, ny talata 20 febroary 2023...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco