♦ Nandaha-teny nandritra ilay fihaonambe karakarain'ny firenena mikambana momba ny toe-tany na ny COP-27, tanterahana any Ejipta ny Filoha malagasy. Nitaky ny amoahana ny anjaran'i Afrika amin'ilay tahiry maintso nampanantenaina ny filoha... ♦ Hampihatrano ny fivorian'ny filohan'ny antenimieram-pirenena aty amin'ny faritry ny ranomasimbe Indiana anio ny Antenimieram-pirenena Malagasy. Nosy miisa dimy no handray anjara... ♦ Atahorana hihamafy ny fahasahiranana sy ny fahantrana mianjady amin'ny malagasy hoy ny firaisankinan'ny mpikamban'ny filan-kevitra ambon'ny tetezamita teo aloha. Tokony hapetraka eto Madagasikara ny amehana ara-toe-karena sy ny sôsialy ary ny drafitra fanarenana ny toe-karena hoy ny ACS...

09 nôvambra — Miaramila romanina i Théodore ary anisan'ireo martiry fanta-daza any amin'ny Fiangonana Tatsinanana izy. Teraka tao Syrie tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo izy. Tandremana tsy hifangaro amin'ilay Masindahy Théodore tsaroana ny 07 febroary ity resahana etoana ity, satria samy miaramila, ary samy martiry izy ireo.

Misy ireo mivavaka manao toy ny toetrana nifi-tsofa, teh hivavaka dia mivavaka ; tsy te hivavaka dia milentika any indray aloha. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alarobia 9 nôvambra 2022 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 13-22

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...