Tanterahana any Mahajanga nanomboka ny 4 hatramin'ny 8 marsa izao ny fankalazana amin'ny fomba ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy. Loha-hevitra ho voizina mandritra izany ny hoe "fitovian-jo sy fizakan-tena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra"...

• Tany amin'ny 620 km atsinanan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay andro ratsy miforona ao atsinanan'ny Faritra Diana, ny maraina teo. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'Antsiranana sy Antalaha izy rahampitso maraina... • Afaka miverina ny fifamoivoizana an-dranomasina mampitohy an'i Madagasikara sy i Comores, araka ny tinapaky ny Filankevitry ny Minisitra, any Mahajanga... • Tena ilaina, hoy ny sendikà SIM, ny fampifanarahana ny rafi-pampianarana amin'ny filan'ny orinasa...

Mbola maro ny vehivavy miaina ao anatin'ny fiankinan-doha. Maniry mafy izy ireny, ary manao ny ezaka rehetra, ny mba hizaka tena, noho izany dia maro koa ireo manararaotra izay finiavan'ny vehivavy te hizaka tena izay. Endrika iray isehoan'izany fanararaotana izany ny famarinana olona.

• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny kristianina katolika hamonjy ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Nanome toromarika ireo hery fiarovana sy filaminana ao Toamasina ny EmmoNat, hisamborana faran'izay haingana ireo nanatsatoka antsy an'i Tahiana...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...