♦ Tafahoatra ny fihetsika fanakànana atao amin'ny mpanohitra hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nanao fandaharana "miara-manonja manokana" moa ny mpitarika ny mpanohitra omaly tolak'andro, manoloana ny toe-draharaha politika tato ho ato... ♦ Nandresy lahatra ireo mpianatra hiatoan'ny fampianarana teny Ankatso omaly ny SECES. Nanome 72 ora manomboka anio hitadiavam-bahaolana ihany koa ny fikambanan'ny mpianatra, manoloana ny zava-misy eny amin'ny anjerimanontolo... ♦ Mitaky fifaninana malalaka ny sendikan'ny mpandrefy tany mpahay avy amin'ny tsy miankina na ny SYGEP. Niatrika fivoriambe teny Antaninarenina izy ireo, omaly...
Ny firaisam-batan'ny mpivady dia tsy biolojika fotsiny fa misy lafiny ara-panahy. Ireo nahazo ny tso-drano avy amin'Andriamanitra no manana adidy sy andraikitra hanohy ny asa fahariana. Manana ny andraikitra feno ny rehetra amin'ny fitandrovana ny aina : ny olona tsirairay, ny vaomieran'asa... Hoy Jesoa manoloana ny fanalan-jaza: izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko no anaovanareo azy. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 31 mey 2022 — Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
♦ Niroso tamin'ny fitetezana efitrano sy ny fanidiana izany androany ny sendikan'ny SECES Sampana Antananarivo. Mandrahona ny hihetsika ihany koa ireo mpianatra, ao aorian'ny fe-potoana telo andro izay nomeny... ♦ Mbola misy ireo orinasa mpikojakoja lalana manana trosa amin'ny fanjakana. Miankina amin'ny toromariky ny Fiadidiana ny Repoblika no ahafahan'ny Tahirim-bolam-panjakana mandoa izany, hoy izy ireo androany... ♦ Mangataka ny hampiharana antsakany sy andavany ny lalana mifehy azy ireo, mba hisian'ny fifaninana malalaka, ny sendikan'ny Mpandrefy Tany Mpahay tsy miankina...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco