Tsy tratra ny tanjona napetraka tamin'ny drafim-pirenena fampandrosoana ny fambolem-bary na ny SNDR tamin'ny taona 2016-2020. Tsy nihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana teto amintsika izay tsy mifanalavitra amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina hoy ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy.
♦ Tsy maintsy hihemotra avokoa na ny fanadinana na ny fidirana sy famaranana ny taom-pianarana ho an'ny fakiolte maromaro, eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Tsy ho voafehin'ny fitondrana ankehitriny ny olana ateraky ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, hoy ny Antoko Teza... ♦ Mbola tsy milamina tanteraka hatramin'izao ny disadisa misy eo amin'ny orinasa QMM sy ireo andian'ny mponina ao Tolagnaro...
Misy filana maro eo amin'ny olombelona, ary tena ilaintsika amin'ny fahavelomantsika mihitsy aza. Ny tsy fahaizana mifehy ireny filana isan-karazany ireny dia mitarika tsy fanajana ny fahamendrehantsika sy ny fahamendrehan'ny hafa
Niandany tamin'ny mahantra i Jesoa, ary ankinin'i Jesoa amintsika ny fikarakarana ny mahantra izay hitsarana antsika any am-parany. Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin'ny fananany manokana dia mangalatra amin'izy ireo sy manala amin'izy ireo ny Ainy satria tsy ny fananantsika no tazomintsika fa ny azy ireo. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco