♦ Manan-trosa 375 miliara Ariary any amin'ny fanjakàna, vokatry ny tsy nandoavana vidin'herinaratra ny orinasa Jirama. Vola maherin'ny 100 miliara Ariary ihany koa no tsy niditra, noho ny halatra nataon'ny 30%ny mpanjifa, araka ny tatitry ny filan-kevi-pitantanan'ny Jirama... ♦ Mitaraina ny Federasiôn'ny mpampiasa rano fa tototry ny fako avokoa ny ankamaroan'ireo lakan-drano mpamatsy ny lemak'Antananarivo. Miantso ny fahatongavan-tsain'ny rehetra izy ireo, manoloana izany olana goavana izany... ♦ Mpiadina 8 mianadahy no tsy afaka hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalôrea any Antsiranana. Nisy nanolo anaran'olon-kafa ny antotan-taratasim-panadinan'izy ireo, araka ny fitarainan'ireo ray aman-dreny...
♦ Milaza ny hitady vahaolana tsy hiakaran'ny vidin-tsolika intsony ny filoham-pirenena tamin'ny kabary tany Mandoto omaly. Nambarany fa efa nahita tolotra 89 dôlara isaky ny Baryl any ivelany izy... ♦ Miantso ny FFKM hitarika donakafom-pirenena itadiavam-bahaolana eto amin'ny firenena ny vondrona ALDR sy ny KMSI. Nanano fanambaràna, etsy ankilany, ny VMF, mpiaro ny fitondràna, nampitandrina ireo manao kajikajy politika amin'ny toe-draharaha eto amin'ny firenena... ♦ Nanolotra famatsiam-bola ho an'ny PAM ho fanampiana ara-tsakafo any atsimon'ny nosy ny Governemanta japoney. Mponina 39 000isa any amin'ny distrika Ambovombe sy Amboasary-Atsimo no hisitraka izany...
16 jolay — Tsaroana amin’ity andro ity i Marie-Madeleine Postel. Mpanorina ny fikambanana ny Soeurs des Ecoles chrétiennes de la Miséricorde izy io ka ny 1500 amin’ireo relijiozin’ny fikambanana dia mitondra ny anarany.
16 jolay — Ireo relijiozin’i Carmel nantsoina tany am-boalohany hoe mpanirerin’i Masina Maria tao tendrombohitr’i Carmel dia tsy manasaraka mihitsy ny asan’ny Tompo sy i Maria Virjiny reniny. Ao amin’i Maria no ahitan’ireo karma ireo, ny anambaviny noho ny fahavirijiniany sy ny reniny izay nanome aina ny fikambanan’izy ireo.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco