Zoma 29 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15

♦ Nandray anjara tamin'ny fivoriana niarahan'ny parlemanta sinoa sy ny parlemanta aty Afrika i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny teknôlojian'ny fifandraisan-davitra no nanaovana ny fihaonana... ♦ Miditra an-tsehatra amin'ny fiarovana ny zon'ny mpiasa any amin'ny Banky ankehitriny ny randrana sendikaly... ♦ Nahafa-po ny mpanao asa tanana tao Nosy-Be ny fihaonan'izy ireo tamin'ny ministry ny Asa Tanana sy ny Haitao... ♦ Nosazian'ny fitsarana any Birmania 5 taona an-tranomaizina indray ilay praiministra teo aloha, Ramatoa Aung Suun Suki...

♦ Ireo olona tsy mandeha manaho ny safidiny amin'ny andron'ny fifidianana no tokony hahazo tsiny fa tsy ny fanjakàna sy ny mpikarakara, zo izany ary izay no maha olom-pirenena... ♦ Ara-tantara dia efa ela no nisy olona teto Madagasikara fa tantara iniana disoina ny hilazana fa mpiavy ny malagasy... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Tsy fotoana tokony hisian'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta eny anivon'ny Antenimieram-pirenena izao hoy ny solombavambahoaka Rakotoarisoa Johny. Fitsipaham-pitokisana kasaina hatao mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany manomboka amin'ny talata 03 mey izao... ♦ Mitaky ny hirosoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena ho fanatanterahana ny fanorenana ifotony ny fikambanana FIAM. Tsy maintsy hatao izany hoy izy ireo raha tiana ny hamaha ireo olana ara-tsôsialy sy toe-karena misy ankehitriny... ♦ Mitaky karama farany ambany 300.000Ariary ny Randrana Sendikaly. Tsy ampy ny fisondrotan-karama 10% manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana misy ankehitriny...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...