Alarobia 4 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalana eto Madagasikara. Samy niaro ny ezaka vitan'ny Fahefana mpanatanteraka na ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena na ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, nandritra ny lahateny fanokafana... ♦ 3 mey, Andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, tsy mbola nisy hoy ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny mpanao gazety nofonjaina noho ny fanatanterahana ny asany teto Madagasikara...
♦ Sokafana amin'ny fomba ôfisialy amin'izao antoandro izao ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Antenimeram-pirenena eny Tsimbazaza amin'ity taona ity... ♦ Manamarika ny 3 mey, andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety isika eto Madagasikara. "Ny asa fanaovan-gazety miatrika ny tontolo nomerika" no lohahevitra, iarahana amin'ny Holafitry ny mpanao gazety... ♦ Mitaraina ny kômity olaimpika malagasy fa mbola tsy misy fanomanana ihany ny atletantsika herin-taona mialohan'ny lalaon'ny nosy. Bahanan'ny taranja baolina kitra ihany avokoa, hoy izy ireo, ny fotodrafitr'asa fanazaran-tena...
♦ Notokanana sy notsofin-drano tamin'ny fomba manetriketrika ny alahady teo, fetin'ny Md Joseph mpiasa, ny "Co-Cathédrale"-ny diôsezin'i Morondava ao Miandrivazo... ♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana voalohan'ireo Parlemanta mpanao lalàna eto amintsika amin'ity taona ity. Arahin'ny mpanara-baovao akaiky ny mety hisian'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta... ♦ Nampiakarina ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasam-panjakana, manana ny fijeriny ireo sendikà...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco