♦ Manana ny anjara toerany manokana amin'ny fizorana amin'ny Sinaody ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny kristianina samy hafa finoana, atambatry ny Batemy iray... ♦ Ny "Eglizy miara-dia" dia Eglizy miara-mandray andraikitra sy mampandray anjara ny hafa...

Alarobia 29 desambra 2021 — Andro fahadimy amin'ny havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35

♦ Nofoanana ny fiakaram-ben'ny Diôsezin'Antananarivo ny 9 janoary 2022, fankalazana ny fetin'ny Fianakaviana Masina, saika hamaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Manentana ny tantsaha hamboly hazo sy hiaro ny tontolo iainana ny Tranoben'ny Tantsaha mpamokatra. Tsy maintsy mandray andraikitra ny eny ambanivohitra fa mitady hikorontana ny asa famokarana... ♦ Amin'izao fotoam-pahavaratra izao no hanadiovana ny lakan-drano mirefy 17 km manondraka tanimbary amin'ny hektara maro eny amin'ny lemak'i Bestimitatatra, ao Antananarivo Renivohitra...

♦ Nitondra hafatra noho ny andro anio, hahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny sy hatokana hivavahana ho an'ireo Malagasy maty vokatry ny voina samihafa ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasiakara... ♦ Efa nandraisana fepetra ny fahatapahan'ny herinaratra eo anivon'ireo hôpitalim-panjakana na CTC mandray ireo mararin'ny Covid-19, eto Antananarivo... ♦ Zazavavy iray 28 taona no noratraina tamin'ny fomba feno habibiana tany Fenoarivobe, Faritra Bongolava...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...