♦ Vola 100 000 dôlara avy amin'ny vahoaka Amerikana, no natolotry ny USAID hanampiana malagasy traboina, hatrany amin'ny 9 000 isa... ♦ Tsy mbola nahazo onitra ny amin'ny trano horavaina sy ny tanimbariny ho ampiasaina amin'ny fanamboaran-dalana any Ankililaoky ireo mponina any anefa afak'omaly ny fotoana nomena azy ireo handrodanana izany. Miantso vonjy amin'ny fitondram-panjakana ireo olona lasibatra... ♦ Mafampana amin'ny resaka fakana ankeriny sy ny asan-dahalo indray ny tapany avaratry ny kaominina Ankazobe izay mifanila sisin-tany amin'ny distrika Anjozorobe...

♦ Mbola arahi-maso akaiky ny fivoaran'ilay rivodoza Gombé, satria mbola tsy lavitra loatra an'i Madagasikara ny ivony amin'izao maraina izao... ♦ Ampitomboina ny fanampiana ny vehivavy manerana ny nosy, ary hiara-hisalahy manokana amin'ny fanantanterahana izany amin'ny ministeran'ny mponina ny filoham-pirenena... ♦ Tsy azon'i Madagasikara atao ny manakana an'ireo mpandeha mandray ny sidina iraisam-pirenena tsy hitondra valizy misy kodiarana sy solosaina hoy ny Ministry ny fizahan-tany...

Ny zava-misy dia tsy hioty afa-tsy ampahany kely amin'ny vokatr'izay hafafintsika isika, araka ny ohabolana ao amin'ny Evanjely hoe : "hafa ny mamafy, hafa no mijinja" (Jo 4, 37). Fa eo am-pamafazana ny soa ho an'ny hafa no handraisantsika anjara amin'ny halemem-panahin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Tohizantsika hatrany izao fandinihana sy fibanjinana masina ataotsika izao ka androany indray isika dia hifampizara ny hoe: “toe-po sy toe-panahin’ny olona mivavaka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangindrainy, Sdb

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...