♦ Marihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany isika eto Madagasikara, ka any Antsirabe no misy ny hetsika nasiônaly... ♦ Nahazo anarana rivo-doza Gombé ilay andro ratsy tao amin'ny ranomasimbe Indiana. Efa tafiditra an-tanety tany avaratr'i Cap Masoala androany maraina... ♦ Mitaky ny hamotsorana ny filohan'y sendikan'ny CNaPs ny firaisankina sendika eto Madagasikara. Mampitandrina ny fitondram-panjakana ny SSM...

Ary ny fijinjana? Moa tsy ny mba hijinja ve no antony hamafazana? Mazava ho azy. I Paoly ihany no manamafy ny fifandraisana akaiky sy lalina eo amin'ny famafazana sy ny fijinjana, hoy izy : "izay mamafy kely hijinjka kely, ary izay mamafy be dia hijinja be" (2Kôr 9, 6). Ny vokatra tsara voafafy voalohany dia tsy aiza fa ao anatintsika, ao amin'ny fifandraisana andavanandro. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Rehefa avy nandalina ny fibebahana amin’ny ankapobeny isika omaly dia tohizantsika àry izao fandinihana masina izao ka androany isika dia handinika ny: “toe-po tokony hananan’ny olona mibebaka”. Ny toe-po sy toe-tsain’ny olona mibebaka dia “fitokisana ny fahasoavan’Adriamanitra ary ny fifikirana amin’Andriamanitra tanteraka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Talata 8 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...