♦ Hisy vidin'entana vaovao tokony hihatra eny an-tsena manomboka ny volana septambra izao. Nambara androany ohatra, fa tsy tokony hihoatra ny 6000 ka hatramin'ny 7000 Ariary ny litatra amin'ny menaka eto amintsika... ♦ Efa maherin'ny 25000 no efa vita vakisiny Astrazeneca andiany faharoa tao anatin'ny tapa-bolana. Efa maherin'ny 3000 koa no nisitraka ilay vakisiny vaovao Johnson and Johnson, ka anisan'ny nitsindrona izany ny Praiminisitra...

♦ Vinavinaina hisokatra amin'ny volana oktobra izao ny sisin-tanin'i Madagasikara, miankina amin'ny fivoaran'ny valan'aretina amin'ireo firenena mifandray amintsika... ♦ Maimaimpoana ny fanatrehana ny lalao eo amin'ny Barea sy ny ekipam-pirenen'i Bénin ny 02 septambra ho avy izao... ♦ Hanomboka amin'ny 27 septambra izao ny dingana faharoa amin'ny fifaninana hididrana ho mpiofana ho mpandraharahan'ny fonja, any amin'ny ENAP ao Antetezamabaro-Toamasina... 

♦ Tratran'ny aretina mbola tsy voafaritra mazava tsara, ny akoho manatody lava, ao Antanetibe Mahazaza ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nidina hatrany amin'ny 50% ny tahan'ny fanatodizan'ny akoho amin'izany... ♦ Miatrika ny Zaikabe faha-9, arahan'ny Fivoriam-be ny Fanilon'i Madagasikara. Fihaonana hatao ny 29 aogositra hatramin'ny 6 septambra izao, eny Ambohipo...

Irin'i papa Fransoa mba homena lanja ao anatin'ny pastoralin'ny tanora ny fifampizarana ny andram-piainana ka ao anatin'izany ny fihainoana ireo karazana fijoroana ho vavolombelona. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piaianana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...