Alakamisy 26 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 42-51

♦ Tratran'ny aretina mbola tsy voafaritra mazava tsara, ny akoho manatody lava, ao Antanetibe Mahazaza ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nidina hatrany amin'ny 50% ny tahan'ny fanatodizan'ny akoho amin'izany... ♦ Miatrika ny Zaikabe faha-9, arahan'ny Fivoriam-be ny Fanilon'i Madagasikara. Fihaonana hatao ny 29 aogositra hatramin'ny 6 septambra izao, eny Ambohipo...

♦ Liana amin'ny fampiasam-bola aty Madagasikara sy ny hiara-miasa amin'ny mpandraharaha malagasy sy ny fanjakana malagasy, ireo mpandraharaha marôkanina sy belges, izay nihaona tamin'ny delagasiôna notarihin'ny Filoha malagasy, tany Frantsa omaly... ♦ Tsy misy afa-tsy valo alina sy roa hetsy ireo mpandraharaha mandoa hetra ara-dalana sy manana NIF, eto Madagasikara...

Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany. Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: "Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?" Ary i Jesoa namaly azy hoe: "Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?" Sady nampiany hoe: "Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...