♦ Nanamarika ny andro afrikanina ho an'ny ady atao amin'ny kolikoly isika teto Madagasikara omaly faha-11 jolay. Nohazavaina nandritra izany ny paik'adim-pirenena vaovao iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny mponina. Lohahevitra novoizina ny fanomezana ny tanora ny fomba hanorenany ny fianakaviana araky ny safidy ao anatin'ny tontolo marina sy feno fanantenana... ♦ Manohy ny ady sisika amin'ny fampiakarana karama ny valabe firaisankinan'ny sendika eto Madagasikara. Misy ny hetsika fanangonan-tsonia ataon'izy ireo hitakiana izany...
♦ Mihamitombo ny tahan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA eto Madagasikara. Tsy maharaka ny fitaovana fisorohana ny fiparitahany sy ny fandraisana an-tanana ireo marary... ♦ Nihena ny taham-pahafahana fanadinana BEPC, ho an'ny Cisco Antananarivo-renivohitra tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny taona 2024, nivoaka omaly ny voka-panadinana... ♦ Efa mamokatra fromazy tsara kalitao ny Malagasy mpamokatra. Mbola tsy ampy nefa ny tolotra amin'ny ronono ho antsika Malagasy... ♦ Nokianin'ny Praministra Senegalais ny filoha Bassirou Diomaye Faye, tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantananaa an'i Senegal hoy izy...
Ny fanoloran-tena amin'ny fiainan-drelijiozy dia fanapahan-kevitra hanaraka an'i Jesoa Kristy akaikikaiky kokoa sy hanahaka ny fiainany madio, mahantra sy manetry tena. Ny Voady telo (fahadiovana natokana ho an'Andriamanitra, fahantrana ary fanekena) no maha-relijiozy. Tamin'ny alalan'ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly no nampijoroana ny rafi-piainana maharitra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona mitondra ny VIH Sida amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Tsy ampy ny fitaovana entina misoroka ny fiparitahan'ny tsimok'aretina, raha ny fanadihadiana nataon'ny tetikasa SYCAVI... • Mila hamafisina ny fanabeazana sy ny fanentanana ny olom-pirenena amin'ny fanajana ny fahadiovana amin'ny sakafo sy ny fanaraha-maso ireo entana amidy eny an-tsena, mba hisorohana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo tato ho ato... • Ambohim-pihaonan'ny orinasa mpamokatra fromazy, vokatra malagasy vita amin'ny ronono, sy ny mpajifa eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina, hatramin'ny rahampitso sabotsy...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco