Talata 17 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
♦ Hivory voalohany handinika ny fikatsoan'ny fivoriana ara-potoana eny Anosikely rahampitso ireo loholona... ♦ Tsy nisy afaka mivoaka sy miditra ao Ambatoboeny intsony nanomboka androany ireo fiara, vokatry ny fahatapahan'ny lalana... ♦ Andrasana amin'ny Alarobia izao ny tohin'ny dinika hanatsarana ny fifandraisana eo amin'i Bahreine sy ny Emirats arabo mitambatra...
♦ Mba ahafahantsika miatrika ny fetin'ny faran'ny taona anatin'ny filaminan-tsaina, dia nandray fepetra manokana any amin'ireo distrika vitsivitsy mbola ahitana ny Coronavirus ny fitondram-panjakana... ♦ Nihena ho 16.000 taonina ny anjara litchis azonttsika ahondrana any ivelany, raha toa ka 17.5000 taonina isan-taona... ♦ Any Etazonia, miziriziry amin'ny heviny hatrany ny filoha Donald Trump. Tsy manaiky ny fahareseny tamin'ny fifidianana filoham-panjakana notanterahana tamin'ny 03 novambra...
Mihena ny tahan'ny ely ka miteraka fiafanan'ny vatana, noho izany dia mila manao mangatsiatsiaka na fitafiana na ny manodidina. Fahaizana matory: matory manomboka amin'ny 9ora alina hatramin'ny 04ora maraina, ahazoana toerimaso mamerina aina izany hoe adin'ny enina hatramin'ny valo eo ho eo. Manao fampiasam-batana hitazomana lanja, 10 minitra isan'andro ary arindra tsara mba hihetsika daholo ny ozatra...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco